- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Vonona ny torolalana hamahanam-bolongana miafina amin'ny teny frantsay

Sokajy: Fahalalahàna miteny

bloguer-anonym_rf1.png [1]

Efa azo vakiana ankehitriny ny toro-lalana mamaham-bolongana miafina tsy fanta-toerana miaraka amin’ny WordPress sy Tor amin’ny teny frantsay [2] ary isaorana ny mpamaham-bolongana Toniziana Malek Khadhraoui [3], ary efa sahirana izahay handika azy amin’ny fiteny hafa.

Ity torolalana [2] ity dia maneho fomba samihafa hiarovana ny mombamomba ny olona iray hisamborana azy ary mampihena be dia be ny fomba ahalalana azy amin’ny alalan’ny fanatrarana azy ara-teknika avy amin’ny toeram-panoratany.

Ny “Guide pour bloguer anonymement avec WordPress & Tor [4]” koa dia azo sintonina amin’ny rindrambako fikirakirana PDF [4] . Afaka mametraka Adobe Acrobat Reader [5] tsy vidiana ihany koa ianao hijerena PDF. Raha manam-pahasahiranana ianao amin’ny fijerena PDF eto an-tserasera, dia andramo ity endrika HTML [5] ity.

Miangavy indrindra mba hametraka rohy ho amin’ity vaovao ity, sintony ny ao ary apariaho araka izay azo atao ity vaovao lehibe ity. Afaka mandray amin’ny alalan’ny endrika HTML ianao eto [6]!

Sami Ben Gharbia [7]