- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Egypta : Ampijaliana am-pigadrana ny mpiblaogy Kareem

Sokajy: Ejipta, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Zon'olombelona

Free Kareem campaign banner

Ny mpiblaogy Egyptiana Kareem Sulaiman, izay voaheloka hanefa efatra taona am-pigadrana [1], dia misedra fampijaliana any am-pigadrana araky ny fambaran'ny Tambanjotra Arabo ho fampahafantarana ireo raharaha mikasika ny zon'ny olombelona [2] [The Arabic Network for Human Rights information | Réseau Arabe pour les Droits de l’Homme] sy ny Centre Hisham Mubarak, araka ny nampitain'ny vohikala freekareem.org [3] sy ny fikambanana mpanao gazety Reporters sans Frontières [4].

Amira Al Hussaini [5]