- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ozbekistana : Fanampim-baovao mikasika ny famonoana an'i Alisher Saipov

Sokajy: Ozbekistan, Fahalalahàna miteny

Ny blaogy Libertad dia mamoavoafy [1] mikasika ny fampiharana ny lalàna Kyrgyza [Kyrgyzstana] momba ny famonoana an'i Alisher Saipov, mpanao gazety fatra-pitsikera, izay maty voatifitra tany Osh any Kyrgyzstana. Ampangain'ny Polisy ho mpamono ny antoko Silamo Hizb-ut-Tahrir, ireo mpanao gazety kosa dia mihevitra fa ny sampana misahana ny fitsikilovana Ozbeka no namono ity mpiara-miasa taminy ity.

« Almost all independent internet sites unanimously put forward the idea that Uzbek secret services could play a significant role in the murder, since Alisher Saipov used to be a severe critic of the current regime in Uzbekistan. However, the state authorities have completely different view on the matter […] they accused Alisher Saipov of being involved in the activities of dissident groups from Uzbekistan, namely Islamic Movement of Uzbekistan, and religious extremist organization Hizb-ut-Takhrir »

« Saika ny ankamaroan'ireo vohikala tsy miankina dia mihevitra fa ny sampana misahana ny fitsikilovana Ozbeka dia mety manana andraikitra lehibe amin'ity famonoana ity, satria i Alisher Saipov dia natetika namoaka fitsikerana hanejana ny fitondrana ankehitriny any Ozbekistana. Tena hafa kosa ny fihevitry ny fitondrana ny raharaha […] Nampangainy [fanjakana] ho voarohirohy amin'ny raharahan'ireo antoko mpanohitra any Ozbekistana i Alisher Saipov, dia ny Hetsika Mozolmanan'i Ozbekistana izany sy ny antoko Silamo « mpanao vy very ny ainy » Hizb-ut-Takhrir »

[Ity dia mbola tohin’ilay lahantsoratra efa notaterina teto ihany : Fanadihadiana tao aorian’ny famonoana mpanao gazety [2]]

Adil Nurmakov [3]