Tantara mikasika ny Unfreedom Monitor tamin'ny Novambra, 2022
Folo volana aty aoriana, tsy mbola misokatra ny fanadihadiana ao El Salvador momba ilay rindrambaiko fitsikilovana “Pegasus”
Fampiasàna ny Pegasus, rindrambaiko fitsikilovan, maneho endrika raho-mitatao goavana ho an'ny fahalalahana maneho hevitra, ny zo nomerika ary fanamby iray goavana amin'ny fanaovana fanadihadiana ny firafitry ny tsy refesimandidy ao Salvador.
Mety hibosesika ny sioka: Todika momba ny fangatahana fanesoram-botoaty ao India
Mampametra-panontaniana momba ny fitsinjaram-pahefana sy ny hery ny fifanolanana eo amin'ireo goavan'ny media sosialy, ny governemanta ary ny olom-pirenena. Niezaka nanilika amin'ny hafa mba hampandrosoana ny tombontsoany ny mpandray anjara tsirairay.
MIVANTANA amin'ny 24 Novambra: Ny fandisoam-baovao sy ny sivana ao Rosia
Miaraha aminay mivantana ao amin’ny YouTube amin’ny 24 Novambra hihaino fifanakalozan-kevitra manavatsava ny fanamafisana haingana ny fironan'ny fitaovam-panivanana ao Rosia. sy ny fampiasàny ny vaovao diso na ao anatiny na any ivelany
Valo volan'ny ‘hosoka’ sy ny ‘fanalàm-baràka’: Ny fomba fampiharana ety an-tambajotra ilay lalàna vaovaon'i Kremlin manenjika ireo mpanohitra tsy manaiky ny ady
Tsy zava-baovao ao Rosia ny sivana sy ny famoretana, fa ny taona 2022, tonga tamin'ny fara-tampony izy ireny. Mifanindran-dàlana tamin'ireo fitaovana nomerika, misy lalàna iray vaovao ahafahan'ny fanjakàna manafaingana sy mamadika ny famoretana ireo mpanohitra ho lasa manana endrika indostrialy .