Tantara tamin'ny Teknolojia mampangarahara asa
[Tatitra] Teknolojia Ho an'ny Fangaraharana
Vokatry ny efa-bolana nikarohana momba ireo tanjona, fanamby, fahombiazana, sy ny fiantraikan'ireo tetikasa teknolojika an-tambajotra izay mikendry ny fampiroboroboana ny fangaraharana, fandraisana andraikitra ara-politika, sy ny fandraisana andraikitra amin'ny maha-olompirenena ity tatitra ity. Izany dia ahitana trangana fikarohana, famintinana ary tolo-kevitra amin'ny fanatsarana ny fitantanana mba hahatonga ny fampiasana ny teknolojia ifotony hahomby kokoa amin'ny fanatsarana ny lisitry ny tetikasa fitantanana manerana ny tany, izay manome torohay fototra voafariparitra ary toejavatra manodidina ireo tetikasa mifandray amin'izany.
Manakana ny fandrosoana any Nepal ny kolikoly
Tsy miafina intsony fa olana lehibe any Nepal ny kolikoly . Araka ny filazan'ny Transparency International (TI), laharana faha-143 (raha laharana faha-121 teo aloha) amin'ny firenena 180 amin'ny ambaratongan'ny ady amin'ny kolikoly ny firenena. Nouvelle Zélande no tsy dia mpanao kolikoly indrindra ary Somalia no tena mpanao kolikoly indrindra.
Fijery manerantany momba ny andron'ny ady amin'ny kolikoly
Mihamaro ireo mpikatroka manohitra ny kolikoly niharan'ny fanafihana. Namoy ny ainy tamin'izany ireo mpanao gazety manoratra momba ny kolikoly eo amin'ny politika sy ny fiarahamonina tahaka an'i Lasantha Wickramatunga any Sri Lanka tamin'ny fiandohan'ny taona (2009).
Manondrotra ny Fangaraharàna ao Eoropa Afovoany sy Atsinanana
Any Eoropa Afovoany sy Atsinanana, mampiasa ny teknolojia vaovao ireo tetikasa maro mba hanatsaràna ny fangaraharan'ny fitantanana, saingy tsy manome antoka fa hahita masoandro ny fanovàna izay tohanan'izy ireo noho ny tsy fahampian'ny finiavana politika.
Arzantina: Hackathons Sy Ny Mangarahara Ara-bola Ao Bahía Blanca
Raha nandre ny vaovao momba ireo fifanekena mampiadihevitra nataon'ny governemanta ao an-toerana ao an-tanànan'i Arzantina Bahía Blanca i Manuel Aristaran (@manuelaristaran), nijery ny tranonkalany [governemanta] izy ary nanamarika fa tsy azo nidirana tsotra izao ny fandanian'ny kaominina. Ka namaha izany olana izany izy.
Ejypta: Mampiasa Teknolojia Hampisehoana Ireo Tompon'Andraikitra Tamin'ny Fampijaliana, Sy Ny Herisetran'ny Polisy
Mampiasa fitaovana antserasera maimaim-poana ireo bilaogera sy mpikatroka mba hampiseho ny fampijaliana sy ny herisetra ataon'ny polisy ary mba hampandray andraikitra ny governemanta manoloana ireo fanararaotana ny zon'olombelona ireo.
Ny Tatitry Ny Mpisera: Fahatapahan'ny Aterineto Indray ao Iràka sy Kamerona

Herinandro fahatelo tsy misy aterineto any Kameroina. Nanameloka lehilahy roa noho ny lahateny 'mampisara-bazana' tao amin'ny Vkontakte i Okraina, ary tsy mahazo mampiasa Facebook ireo Alzeriana mpisolovava.
Eo Amin'ny Làlan'ny Vola Ireo Mpijirika Informatika
Nisy ny Sabotsy 7 Jona ny hetsika " Làlan'ny Vola", andron'ny fijirihana informatika isam-paritra, nokarakarain'ny Hacks/Hackers, mba hanarahana ny topan'ireo volam-bahoaka manerana an'i Amerika Latina.
Andro Iraisampirenena Ho An'ny Angona Misokatra, Hatao Ny 22 Febroary
Amin'ny 22 Febroary, hifamory ho an'ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Angona Misokatra ireo bilaogera, hackers sy olona hafa liana amin'ny resaka Angona Misokatra sy ny Mangarahara. Jereo ato ny fomba hahafahanao mirotsaka amin'izany










