Tantara mikasika ny Resadresaka Hanatsarana ny Tany
India: Vehivavy tantsaha mitsangana hiady amin'ny fikorontanan'ny toetrandro
Vondrom-behivavy iray ao India no naneho fa na dia eo aza ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy sy ny fahantran-dry zareo, dia mety ho lasa fitaovana mahery vaika izy ireo amin'ny fiadiana ny fikorontanan'ny toetr'andro sy hampihena ny fandefasana etona mahatonga izany.
Repoblika Dominikana: Manampy An'i Haiti Mpifanolo-bodirindrina Taorian'ny Horohorontany
Ifampizaran'i Haiti sy ny Repoblika Dominikàna ny nosy Hispaniola. Raha ny tao amin'ny Repoblika Dominikàna ihany no niharan'ny horohorontany, nijaly ny faharavàna goavana i Haiti taorian'ny horohorontany. Manao izay vitany mba hanampiana ny mpifanolo-bodirindrina aminy ny Dominikàna.
Nikaragoà: Maneho Hevitra Momba Ny Fampandrosoana Ambanivohitra Amin'ny Alàlan'ny Lahatsary Ny tantsaha
Manome ny tantsaha any amin'ny vondrom-piarahamonina ambanivohitra ny fahafahana miteny amin'ny alàlan'ny lahatsary milaza ny ahiahiny, ny tetikasany, ny faniriany ary ny heviny ny tetikasa Alzar las Voces (Ampiakaro ny Feo) any Nikaragoà.
Lahatsary Mampiseho Ny Fiantraikan'ny Fahafatesana Eo Am-piterahana Eo Amin'ny Fiarahamonina
Rehefa mamoy ny ainy mandritra ny fitondrana vohoka, ny fiterahana na noho ny fahasarotana taorian'ny fiterahana ny vehivavy, dia tsy vitan'ny hoe misy fiantraikany eo amin'ny fianakaviana ihany izany fa koa ny fiarahamonina manontolo
Fiarahamonina ho an'ireo Mitondra Otrikaretina SIDA
Nampangain'ireo vondrona isankarazany mpiaro zon'olombelona ny governemanta Kambodziana ho nametraka tsy araka ny sitrapony fiarahamonina iray ho an'ireo mitondra otrikaretina SIDA rehefa nametraka fianakaviana 40 miaina miaraka amin'ny otrikaretina VIH sy SIDA ho any amin'ny vohitra iray 25 kilaometatra miala ny tanànan'i Phnom Penh
Indonezia: Rehefa ny vehivavy no mifehy ny fampiasam-bolany
Resaka nandeha avy hatrany mikasika ny fitantanana orinasa sahanin'ny vehivavy, ny fahazotoana sy ny fampiasam-bola miaraka amin'ireo mpiara-miasa ao amin'ny serasera anaty aterineto Resadresaka Hanatsarana ny Tany, mizara ohatra avy any Indonezia i Carolina.
Haiti: Manavotra ny velona, Mitady ny tsy hita
Ireto misy tambajotra sy tahirin-kevitra vitsivitsy eto amin'ny aterineto izay netsehina tato anatin'ny andro vitsivitsy hanampiana ireo fianakaviana avy any ivelan'ny faritra hitady ny havany sy handefasana mivantana ireo fanampiana vonjitaitra ho any amin'ireo niharam-boina, izay maro no mbola tototra any ambanin'ny tranon'izy ireo izay nirodana.
Mongolia: Manimba ny fomba fiainan'ny mpifindrafindra monina ny fiovan'ny toetr'andro
Hatry ny fahagola no nilàn'ny fianakaviana mpifindrafindra monina avy any Mongolia tamina toerana midadasika fa izany no mifandrindra amin'ny fomba fiainany. Taloha dia azon'ny biby fiompiny nivalamparana avokoa na ny...








