Tantara mikasika ny Belarus In Turmoil
Belarosiana mpikatroka nanjavona hita faty tany Okraina
Nandao an'i Belarus i Shyshou tamin'ny mihintsan-dravina 2020 noho ny tahotra hohenjehin'ny fanjakana, ary nanorina sy namelona ny Trano Belarosiana ao Okraina (BDU), fikambanana iray tsy mitady tombombarotra manohana ireo olompirenena Belarosiana mandositra ny fanenjehan'ny fitondrana ao Belarus.
Raràn'i Belarus tsy hivezivezy any ivelany ny olom-pirenena, nakaton'ny Vondrona Eoropeana ho an'ny Sidina Belarosiana ny sehatra an'habakabaka
Voaràra vonjimaika tsy handeha any ivelany ny ankamaroan'ny Belarosiana, anisan'izany ireo manana fahazoan-dalana hipetraka maharitra any ivelany, raha noraràn'ny sehatra an'habakabaka Vondrona Eoropeana kosa ny safidy hivezivezy miala sy hiditra ao Belarosy.
Sangany amin'ireo media belarosiàna, namafa lahatsoratra an-tambajotra mba hiarovany ny mpiasa
Nesorin'ny toniandahatsoratry ny Tut.by daholo ireo votoaty virtoaly navoaka tamin'ny ankamaroan'ireo fantsom-baovaony tety anaty media sôsialy tamin'ny 2020 sy ny tapany voalohany ho an'ny 2021, anatin'ny tena mampafàna ny hetsipanoherana taorian'ny fifidianana.
Nampiato ny varotra ho an'i Belarosia sy Rosia ny orinasam-pitsikilovana finday Israeliana
Nanambara ny Cellebrite, orinasam-pitsikilovana nomerika Israeliana fantatra amin'ny fanamboarana fitaovana rindrambaiko ampiasaina hanangonana angondrakitra avy amin'ny finday avo lenta, fa hampitsahatra ny varotra amin'ny fanjakana sy amin'ny mpitandro ny filaminana Rosiana sy Belarosia.
Ny 14 Desambra, miaraha aminay HIRESAKA MIVANTANA ny ‘Belarosia 2020: Mbola mampakatra hatrany’
Miaraha aminay sy ireo vahiny telo nasaina mba hanao jeritodika ireo tranga miseho any Belarosia taorian'ny fifidianana izay ho filohampirenena natao tamin'ny Aogositra. Handeha mivantana ao amin'ny Zoom sy ny Facebook ity hetsika ity.