Tantara tamin'ny Jolay, 2018
Serbia: “Tononkalo alahelo ho an'ny kisoa iray”
Marobe ireo Serba zatra mankalaza ny Krismasy Ortodoksa amin'ny alalan'ny fanapoahana basy sy basy poleta, ary misotro rano voajanahary miloko sy mihinana kisoa.
EWAMT-Yemen: Vita ny atrikasa voalohany tamin'ny famahanana bilaogy

Efa nampahafantarina antsika ny tetikasan'i Ghaida'a Al Absi 'Fanohanana ireo Vehivavy Mpikatroka amin'ny Teknikan'ny Media' izay nampiofana ireo vehivavy mpikatroka ao Yemen ary niaraha-niasa tamin'ny hetsika Hand In Hand . Iray amin'ireo nahazo vatsy fanohanana avy amin'ny Rising Voices ry zareo. Faly izahay fa vita soaman-tsara ny atrikasa fihodinana voalohany.
Fantaro ireo bilaogera vaovao ao Liberia

Tamin'ny volana Oktobra lasa teo, mpanao gazety Liberiana sivy no nianatra ny fomba fibilaogina nandritra ny atrikasa tao amin'ny Ambasady Amerikana ao Monrovia. Noho ny fanohanan'ny Foibe ho an'ny Demokrasia sy ny Fampandrosoana ao amin'ny UMass Boston, tafaverina eto Monrovia aho ankehitriny miaraka amin'i Kathleen Flynn sy Ken Harper.
Bahrain: Andron'ny Mpifankatia sa Andron'ny Hatezerana?
Ao Bahraina, sady an-tambajotra no tsia, naneho ny firaisankinany amin'ireo Ejiptiana ny mponina, tamin'ny fanaovana hetsi-panoherana tao amin'ny Masoivoho Ejitpiana tamin'ny 4 Febroary. Na dia tena hetsika firaisankina tamin'ny ankapobeny aza ilay fivoriana, fahafahana ho mba hanehoan'ireo mpanohitra ao Bahrain izay manahirana azy manokana ilay hetsi-panoherana --izay nekena niaraka tamin'ny fanomezandalana avy amin'ny fanjakana.
Nepal/ Grande-Bretagne : Ireo Ghurkas, tantara lavabe mahakasika ny fanavakavahana
''Efa ho taonjato roa izay no manompo ny mpanjakavavy sy i Angletera ireo Ghurkas, araka ny iantsoana ireo tanora Nepaley mirotsaka ao amin'ny tafika britanika. Tsy dia tena rariny anefa ny nataon'ny fanjakana britanika raha ny resaka fanomezam-boninahitra noho ny firotsahany sy ny sorona nataon'izy ireo.''
Indonezia : Ady manodidina ny fanànana ara-tsaina
Niongana nankany amin'ny lisitra maintin'ireo firenena voaara-maso amin'ny fandikan-dalàna mikasika ny zon'ny fananana ara-tsaina napetrak'i Amerika i Indonezia.
Japana: Ndeha ho any an-tsaha daholo ry tanora ! Ny fiovan'ny fambolena japoney
Raha toa ka tena milentika be ny toekarena, mitady ny hanao fangatahana mpiasam-pambolena bebe kokoa ny fanjakana ho toy ny valin'ny tsy fananana asa tsy mitsahatra mitombo, indrindra ho an'ireo manao asa an-tselika izay nofoanana ny fifanarahan'asany [amin'ny teny frantsay].
Madagasikara: Kianin'Ireo Mpitoraka Bilaogy Malagasy Any Frantsa Ilay Politikan'i Sarkozy Momba Ny Fifindràmonina
Ny famoronana minisitera iray misahana ny fifindràmonina sy ny maha-olom-pirenena no fandaharanasa iray izay heverin'ny filoha frantsay vaovao, Nicolas Sarkozy. Tsy maintsy manaiky io hetsika hentitra io ireo mpifindramonina efa ela niainana tao Frantsa. Nampiady hevitra ireo mpitoraka bilaogy malagasy monina any Frantsa izany ....
Egypta: Voasivana ny kaonty Flickr an'ilay mpikatroka
Nitroatra ireo mpikatroka Egyptiana taorian'ny "nanivanan'ny" Flickr ny kaonty fizaran-dry zareo sary.
Bilaogy ao Però, taona 2005
Nisy tolotra vaovao roa nifantoka tamin'ny bilaogy Peroviana tamin'ny taon-dasa: ny voalohany dia ny Perublog.net, izay nanomboka niasa tamin'ny volana Janoary 2005 . Ary tamin'ny volana May, nipoitra ihany koa ny Perublogs.com, armoara iray izay ho lasa mpamatsy tolotra isan-karazany ho an'ny tontolon'ny bilaogy Peroviana