Oktobra, 2011

Tantara tamin'ny Oktobra, 2011

Arabia Saodita : Miala any ny printsy Naif

Minitra vitsy monja ny famoahan'ny mpisera Saodiana tao amin'ny Twitter ny fitaintainan'izy ireo tao aorian'ny fahafatesan'ilay Printsy mpandimby Sultan Bin Abdul Aziz Al Saud.  Mitovy fanontaniana ny maro amin'izy ireo momba izay...

29 Oktobra 2011

Teny: Podcast Iray Avy Amin'Ireo Tompondaka Ao Warlpiri

Rising Voices

Ny Tompondaka ao Lajumanu dia kilasy misy ireo mpianatra madinika ao amin'ny Faritra Avaratr'i Aostralia. Miaraka amin'ny mpampianatra azy ireo, Adrian Trost, dia mamokatra podcast isam-bolana ireo mpianatra, izay ahitàna fanandratana ny teny Warlpiri fampiasan'ireo vahoaka teratany tena hiringiriny antsoina hoe Aborigene.

28 Oktobra 2011

Kambodza: Tondradrano Faran'izay Ratsy Indrindra Tato Anatin'ny Folo Taona

Ity no tondradrano faran'izay ratsy indrindra tato anatin'ny folo taona. Ny manampahefana Kambodziana mitatitra fa mila ho antsasaky ny iray tapitrisa no velaranà tanimbary simban'ny rano ka mety hanohintohina ny fahavitan-tena ara-tsakafo any amin'ny faritra. Ireto ny tatitra misimisy kokoa momba ny zava-doza nentin'ny tondradrano ao Kambodza 2011

27 Oktobra 2011

Ejipta: Fiantsoana Revolisiona Indray Taorian'ny Didim-Pitsarana Momba ny Raharaha Namonoana An'i Khaled Said

Voaheloka higadra fito taona any am-ponja ny polisy roa noho ny daroka niteraka ny fahafatesan'i Khaled Said, zatovolahy novonoina tany Alexandria nampirehitra ny revolisiona Ejipsiana. Tezitra ny mpisera amin'izay lazain-dry zareo fa didim-pitsarana mohaka sy tehamaina amin'ny revolisiona sy ny antsony isian'ny rariny. Niteraka antso ho amina revolisiona vaovao teo amin'ny samy tanora ao Ejipta indray ny nandrenesana ny didim-pitsarana.

27 Oktobra 2011