Mpiombon'antoka amin'ny Global Voices

Niara-niasa tamin-tambajotra-mpiombon’ antoka tena miavaka izahay hatramin'ny taona 2004—mety ho iray amin'izany koa ianareo.

Fikambanana ve ianao ka te-hamoaka indray ny tantara (lahatsoratra) ato amin'ny Global Voices araka ny fametrahanay lisansa Creative Commons [mg] amin'izy ireny? Sa mamokatra votoaty izay eritreretinao fa mety amin'ny tranonkalanay ianao? Liana ve ianao ny hampiasa ny ekipanay Lingua mavitrika, izay mandika tantara ho amin'ny fiteny am-polony?

Karazam-piombonan’ antoka

Mifanakalo lahatsoratra ho avoaka indray (Cross-republication): Mifanakalo votoaty sy rohy isika amin'ny alalan'ny lisansa Creative Commons.

Miara-mamokatra (Co-production): Miasa miaraka amin'ny tonianareo na mpanoratra ao aminareo ny tonianay hamokatra tantara (ranty) izay ho avoaka amin'ny tranonkala roa.

Asa anirahana (Commissioned work): Maniraka anay iana(re)o hanoratra tantara mahaleotena amina lohahevitra, faritra na olana iray manokana.

Ankoatra ny fiombonan'antoka tahaka izay voalaza etsy ambony, miombon'antoka miaraka amin'ny fikambanana manao fikarohana, fanentanana, lanonana ary firesahana izahay. Raha te-hahalala bebe kokoa momba ireo karazam-piombonan'antoka hafa, miangavy mba hifandray amin'i Malka Older (malka DOT older AT globalvoices DOT org) na Georgia Popplewell (georgiap AT globalvoices DOT org).

Raha liana ianao hiombon'antoka miaraka amin'ny Global Voices, miangavy mba fenoy ny tava eto ambany, indrindra fa ny an'ny fiteny anglisy.

Fijoroana vavolombelona avy amin'ny sasany amin'ireo mpiara-miombon'antoka aminay

Tsapanay fa mety tsara ny fiaraha-miasan'ny Global Voices amin'ny PRI.org sy ny Public Radio International. Mifampikarakara tokoa ny fikambanana roa tonta lalina miresaka ny tontolo sy ny tantara tsy hitan'ny hafa. Samy liana amin'ny tatitra ifotony izahay.

Hitanay ato amin'ny PRI ho manan-torohevitra mafonja ho an'izao tontolo izao ny votoaty GV, ary manome anay ireo tantara tsara indrindra ny tonian-dahatsoratra sy ny taratasim-baovao GV. Tahaka izany ihany koa izahay manolotra tantara ôrizinaly  vitsivitsy ho an'ny Global Voices ho aelin'ny GV isan-kerinandro.

Samy nahazo mpihaino-mpamaky be kokoa izahay. Ary mora, voajanahary, tsy mampisahotaka ny fifandraisana. Inona indray ary no azonao angatahina?
PRI

Dave Beard and Angilee Shah

Rehefa manonta printy ny Netizen Report na piesin'ny Global Voices hafa aho, dia fantatro fa tsara tatitra izy io, azo itokisana, ary indrindra indrindra, mirakitra ny feon'ireo olona avy amin'ny firenena noresahina. Rehefa mivoaka ny vaovao iraisam-pirenena amin'ny lafiny teknolojia—ohatra, ny vaovaon'ny fifandraisan'i Etazonia sy i Kiobà—mitodika any amin'ireo namako ato amin'ny Global Voices aloha aho, satria fantatro fa hanolotra fomba fijery hafa sy tena ilaina izy ireo.

Torie Bosch

Fahafinaretana ny miasa miaraka amin'ny Global Voices! Mahomby ry zareo, be fikirizana ary mamokatra asa tsara kalitao amin'ny sara taka-bidy. Tena afa-po tamin'ny asan-dry zareo izahay ary matetika mandrisika ny hafa hitodika any amin-dry zareo raha mitady tolotra fandikanteny.
witness_logo

Sarah Kerr

Miasa miaraka amin'ireo sehatra fampitam-baovao anjotra mitari-dalana maro amin'izao fotoana izao ny gazetiboky Ensia, saingy ny fiombonan'antoka iarahanay amin'ny Global Voices no iray amin'izay tena nahomby indrindra. Noho ny Global Voices, nahatratra an'aliny ireo olona manerana izao tontolo izao tratran'ny tantaran'ny Ensia!
Ensia

Todd Reubold

Nanampy anay ny Global Voices hahatratra sy hifandray amin'ireo olona miaina any amin'ny faritra misy fifandonana, ady na voina voajanahary. Noho ny ezaka nataon-dry zareo, afa-nifampiresaka tamin'ireo vondrom-piarahamonina an-toby fialokalofana izahay, sy ireo an-trano barîka sy faritra misy fifandonana. Ny fahalalàna ara-kolontsaina no fanalahidy rehefa amin'ny fahasamiharam-pivavahana, kolontsaina na zom-pirenena.Noho ny ezaka nataon-dry zareo amin'ny fandikan-teny sy ny fahatakarana ny kolontsaina isankarazany, vonona amin'ny fiteny fito amin'izao fotoana izao ny fampihatra findainay, ary nanampy anay ry zareo mba hahay hifanerasera tsara amin'ny olona ivelan-jotra sy lavi-pifandraisana. Tena mety indrindra amin'ny REFUNITE ny fakamamiany ny soa sosialy, mivady amin'ny fahaizany manokana amin'ireo fiteny sy kolontsaina maro.

Ida JengREFUNITE

Global Voices se ha tornado un aliado esencial para Infoamazonia porque nos permite difundir articulos a una red mucho mas amplia de lectores. Hemos compartido mapas y contenido en la versión en portugués que luego se han traducido a 8 idiomas. Para nosotros es muy importante tener un socio con alcance global y preocupado por la amazonia.

Lasa mpiara-dia tena ilain'ny Infoamazonia ny Global Voices satria afaka mampiely lahatsoratra amin'ny tambajotra-mpamaky betsaka kokoa izahay. Nizara sarintany sy votoaty tao amin'ny GV Portiogey izahay, izay voadika tamin'ny fiteny valo avy eo. Tena zava-dehibe ho anay ny fananana mpiara-miasa misandrahaka maneran-tany izay manahy ny amin'i Amazônina.

Screen shot 2015-05-05 at 12.57.15 PM

Gustavo Faleiros

Llevamos años aprendiendo juntos, colaborando en libros y en internet y esperamos seguir para intentar mejorar la información en el mundo que habla español. GV es un gran compañero de viaje. Visibilizando la participación ciudadana y la información global para poner en marcha los nuevos medios de información, en favor de un mundo más plural. Rompiendo las barreras del idioma, de las agendas de los grandes medios, en favor de la democratización de los contenidos para soñar juntos un mundo más participativo de voces globales.

Nandany taona maro izahay niara-nianatra, niara-niasa tamin'ny boky sy anjotra, ary manantena izahay ny hanohy hanatsara ny torohay misy amin'ny tontolo miteny espaniola. Mpiara-dia mahafinaritra ny Global Voices […] mandrava ny sakana amin'ny fiteny sy ny tetipanoron'ny fampitam-baovao be mpanaraka mba hahatratra ny daholobe ny votoaty mba hahafahantsika miara-manonofy tontolo iray ahafahan'ny feo manerantany [global voices] mandray anjara bebe kokoa.
periodismo

Paula Gonzalo

LATAM está cambiando desde sus jóvenes, innovadores cívicos y opiniones plurales. GV lleva esas perspectivas, voces y reflexiones desde Latinoamérica al mundo. Para SocialTIC GV es más que un medio aliado, es un espacio que hace resonar a actores de cambio innovadores a lo largo de todo LATAM.

Miova i Amerika Latina noho ny tanorany, ireo mpanavao ny maha-olom-pirenena ary ireo hevitra maro samihafa. Entin'ny GV avy eto Amerika Latina mankamin'izao tontolo izao ireny fomba fijery, feo ary fisaintsainana ireny. Ho an'ny SocialTIC, mihoatra noho ny mpiara-dia ara-media ny GV; sehatra iray mampisondrotra ireo solontenam-panovana manerana an'i Amerika Latina izy.

Juan Manuel Casanuevasocial tic