Ireo mpamatsy vola ny Global Voices

Ato amin'ny Global Voices, ny vondrom-piarahamoninay no mitarika ny asanay, hikarakara ireo mpamaky. Ny mpandray anjara sy ny ekipa mpamoaka lahatsoratra no manapa-kevitra hoe inona no tantara holazainay ary ahoana no ilazanay azy.

Tombananay avokoa ireo loharanom-bola rehetra raha jerena amin'ny traika entiny amin'ireo iraka ataonay, amin'ny soatoavinay sy ny asanay. Ekenay izay famatsiam-bola rehetra tsy manembatsembana ny tanjonay, tsy manimba ny lazanay, tsy manohintohina ny filaminan'ny mpandray anjara.

Miangavy mba hamaky ny fitsipikay feno momba ny Global Voices Fundraising Ethics na Tandrohasim-panangonam-bola Global Voices [fr] raha te-hahazo torohay bebe kokoa.

Tianay omena fisaorana manokana ihany koa ireo mpanohana na ny ankehitriny na ny taloha, anisan'izany:

Tongava ho mpamatsy ny Global Voices

Raha liana ianao amin'ny fanampiana ny iraka tanterahin'ny Global Voices hanangona, hanadio, ary hampiraondraona ny resaka anjotra manerantany, miangavy handefa imailaka amin'i Malka Older, Tale Mpanatanteraka.