Tantara mikasika ny Angletera tamin'ny Aogositra, 2011
ANGLETERA:#BlameTheMuslims Tenifototra Tao amin'ny Twitter Nivaona Tamin'ny Tokony Ho Izy
Sanum Ghafoor, izay mandeha ao amin'ny Twitter amin'ny @Strange_Sanum, dia silamo 19 taona ary mpianatra ao Angletera. Tezitra amin'ny fanondroana avy hatrany ny Silamo ho tompon'antoka amin'ireo herisetra maro isan-karazany, indrindra fa ilay asa fampihorohorona tao Oslo tamin'ny herinandro lasa teo iny, nanao tora-po tamin'ny fibitsihana tamin'ilay tenifototra #blamethemuslims (an'ny silamo ny tsiny) i Sanum. Satria efa zary mahazatra antsika ny mahita lohahevitra iray mipariaka lavitra be toy izany eny am-pototsofin'ireo mpihaino, mahagaga fa efa mivaona amin'izay zava niseho ny fampiasàna azy, nitarika ho amin'ny fahasorenan'ireo mpampiasa Twitter tanteraka.
Tontolo Arabo: Mijery an'i Londres “May” Amin'ny Valantserasera
Mizara ny heviny mahakasika ilay fandrobana misy ankehitriny ao Grande Bretagne ireo mpisiokantserasera Arabo, fandrobana izay nanomboka telo andro lasa izay taorian'ny namonoan'ny polisy ilay tovolahy 29 taona Mark Duggan...
Grande Bretagne (UK): May i Londres (Lahatsary)
Nivadika korontana sy fandrobana teo amin'ireo tanora ao an-tanàn'i Londres sy ao an-tanàna hafa ao Royaume Uni ny fahatezerana noho ny famonoana nataon'ny polisy taminà rangahy iray 29 taona tao Tottenham,...
Kolombia: Polisy Nandihy Nirary Tongasoa Ho Anà Mpilalao Baolina Kitra
Tao Medellin, Kolombia, tao amin'ny seranam-piaramanidina dia naneho hetsika fiarahabàna an'ireo mpilalao baolina kitra ireo manamboninahitry ny polisy, nahafinaritra ireo mpitsidika izany fa kosa nahatonga olana momba ny filaminana ho an'ny toerana sasantsasany.