Tantara mikasika ny Eoropa Andrefana tamin'ny Oktobra, 2015
Mba Hahatsapàny Tsara Ny Manjo Ireo Mpitsoa-ponenana, Alemàna Mpanao Lalàna Mifanome Tànana Ao Anaty Sambo Fingotra Fanavotana Aina
Nikarakaràn'ny See Watch fotoana iray ireo parelmantera izay mitàna ny fahefana afaka manapaka momba izay ho tohin'ny fiainan'ireo mpitsoa-ponenana mitady fialofana ao Alemaina, hahatsapan'izy ireo hoe toy ny ahoana izany mitaingina sambokely tsy azo antoka izany.
Nibahan-Toerana Indray Andro Tamin'ny Gazety Danoà Mpivoaka Isan'andro Ny Mpitsoa-ponenana Hizara Ny Tantaran'izy Ireo
Nanasa mpitsoa-ponenana 12 ny gazety mivoaka isan'andro danoà Information, ka ny sasany vao tonga, ary matihanina amin'ny fanaovan-gazety avokoa izy rehetra, ka nameno ny 48 pejin'ny gazety tamin'ny Zoma 9 Oktobra.
“Ho an'ireo Tsy Mahavita Intsony Mandeha Mifidy Amim-pahavitrihana”
"Tsy misy tokony ho andrasana intsony amin'ireo izay mitondra antsika." Misy hetsika ataon'olon-tsotra mandray an-tànana ny raharaha.
Lehilahy Mitety Izao Tontolo Izao Tsy Hijery Fa Hihaino
Mpiangaly mozika ilay mpanakanto am-peo Jacob Kirkegaard taloha. Saingy nahita izy fa aleony mahita feo toy izay manao izany. Ankehitriny mandrakitra izay zara raha mba fantatry ny olona izy.
Miatrika Volavolan-dalàna Momba Ny Fanarahamaso, Tafalatsaka Antenantenan'ny Fahatairana Sy Ny Tsy Firaharahiana Ny Vahoaka Frantsay

Milaza ireo mpiaro ny fahalalahan'ny olon-tsotra fa io volavolan-dalàna miandry fandaniana io dia handefa an'i Frantsa ho eny amin'ny toeran'ny fahefana amin'ny sehatry ny fitsikilovana ny Aterineto iraisam-pirenena.
Mpanavakavaka, Mpankahala Pelaka ary Anti-semita ny Minisitra Lefitry ny Fitaterana Voatendry Vao Haingana Ao Gresy
Ny anton'ny fandroahana tampoka dia fanambarana izay, roa taona lasa izay, namoaka fanehoan-kevitra manavakavaka, antisemita sy mankahala pelaka tao amin'ny kaonty Twitter efa tsy miasa intsony i @portaporta ("isam-baravarana") na i Kammenos.
An-tanety Sa An-dranomasina? Fanapahan-kevitra Sarotra Ho An'ny Mpitsoa-ponenana Te Hiala Ao Torkia
Raha mandinika izay fomba hitantanana ireo mpitsoa-ponenana an-tapitrasany mitady trano i Torkia sy ny manodidina azy. Monina ao amin'ny toby ivelan'ny fiantsonan'ny fitateram-bahoaka ao Istanbul kosa i Amer Mohammad, Irakiana, miandry ny fandehanana ho any Eoropa.