· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Eoropa Andrefana tamin'ny Novambra, 2012

Fanetsehana Hitazonana Ny Fampiasàna Ny Portioge Ho Isan'ny Teny Fampianarana Ao Frantsa

  15 Novambra 2012

Miisa 250 tapitrisa eo ny mpiteny portioge, izy no teny faha enina be mpiteny indrindra eto an-tany. Ambara ho misy eo amin'ny 2 tapitrisa eo ny miteny portioge ao Frantsa, izay ny betsaka dia ireo mpifindra monina na ny taranaka portioge mpifindra monina . Nilaza ramatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony, Geneviève Fioraso, tao anaty tafatafa iray fa "ny hanana sampam-piofanana iray tsy fahita firy, toy ny portioge, any amin'ny anjerimanontolo rehetra, angamba tsy dia ilaina loatra". Mihetsika maneho hevitra amin'io fanambaràny io ireo bilaogera miteny portioge ao Frantsa:

Espaina: Nandefa Lahatsary Mampiady Hevitra ny Antokon'ny Fampiraisam-Pirenena Katalana

  13 Novambra 2012

Handeha handatsa-bato ny Katalana amin'ny 25 Novambra 2012 hoavy izao, izay fifidianana naroso alohan'ny fotoana. Taorian'ny 11 Septambra nisian'ny famoriam-bahoaka mpitaky ny fahaleovantena tao Barcelona, izay olona maherin'ny iray tapitrisa no tonga nidina an-dalambe hitaky ny fisarahan'i Katalonia amin'i Espaina, toa lasa karazana fankalazam-bahoaka hametrahana an'i Katalonia ho firenena (antenaina ho) mahaleotena...

Gresy: Mpanao Gazetin'ny Fahitalavi-Bahoaka Voaroaka Taorian'ny Fanakianan'izy ireo Minisitra

  12 Novambra 2012

Noroahin'ny Fahitalavi-panjakana Grika (ERT) ny mpanao gazety anakiroa, i Kostas Arvanitis sy i Marilena Katsimi, tamin'ny 29 Oktobra 2012, taorian'ny nandalinany ny tsikeran'ny gazety Britanika The Guardian mikasika ny herisetra nataon'ny polisy Grika tamin'ny mpanao fihetsiketsehana anti-fasista tany Atena, ary nanakianan'izy ireo ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka Grika. *Ireto ny tsonga avy amin'ny vaovao marainan'ny fahitalavitra nataon'izy ireo : Nanazava...

Politikam-Pifindramonina Frantsay Nodinihana Indray sy Nahitsy

  05 Novambra 2012

Nilaza ny finiavany hanova ny politikam-pifindramonin'ny fireneny ny minisitra frantsay misahana ny atitany, Manuel Valls, nandritra ny kabary nataony tao Toulouse, atsimo andrefan'i Frantsa. Mivaky toy izao ny navokan'ny haba-tserasera afrik53.com tao amin'ny lahatsoratra iray: Le ministre de l’Intérieur, Manuel Valls, a annoncé jeudi avoir envoyé aux préfets la circulaire modifiant...