Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tantara mikasika ny Norvezy

05 Jolay 2014

Manampy Ny Olona Hianatra — Na Koa Hiaro—Ny Teny Manerantany Ny Teknolojia

Rising Voices

Misy ireo mpisaina lasa aloha miankina amin'ny herin'ny teknolojia mba hanavotra ny teny tsy hanjavona, na hamelona indray, tranga tena vitsy dia vitsy, teny iray efa nanjavona.

13 Jolay 2012

Oganda: Mahatsiaro Ny Fipoahana Baomba Tamin'ny 2010

Naka ny Facebook sy Twitter ho sehatra hanehoany ny fahatsiarovana ny tra-doza tamin'ny fanapoahana baomba tamin'ny 2010 tao amin'ny Rugby Club Kyaddondo sy trano fisotroana tao aminà tanàna Etiopiana ao Kampala ry zareo Ogande. Nitranga ilay fanafihana raha iny teo am-pijerena ny lalao famaranana ny fiadiana izay ho Tompondaka Erantany...

16 Mey 2012

Norvezy: Ireo Resaka Momba An'i Amerika Latina Ao Amin'ny Oslo Freedom Forum

Ny herinandro lasa teo no notontosain'ny Human Right Foundation tao an-drenivohitra norveziana ny Oslo Freedom Forum. Ny teny filamatra “Avy amin'ny aizina mankamin'ny mazava,” avondron'ny  forum ny endrika fanta-daza manerantany hiresaka ny krizy mahaolona sy hifanakalo hevitra momba ny fiantraikany. Iray amin'ny nandray anjara fitenenana mandritra ny fotoana mitondra ny lohahevitra...

03 Mey 2012

Lahatsary: Mifampizara Ny Fiainany Ny Reny Manerantany

Hita ao amin'ny fampirantiana an'aterineton'ny Mozea iraisampirenena Momba ny vehivavy avokoa ny momba ny reny rehetra. Nampahafantatra ireo karaza-pijery momba ny reny tamin'ny alalan'ny fanadihadiana an-dahatsary natao tamin'ny vehivavy avy ao Nizeria, Kenia, Afganistana, Etazonia, Kolombia, Hongria, Shina ary Norvezy ny MAMA: Ny Fiainan'ny reny manerana ny glaoby. Mama to Be (Ho reny atsy...

14 Avrily 2012

Mali: Tombouctou, Tandindonin-Doza Ny Haren-Kolontsaina

Mampahatsiahy zavatra malaza sy toetr'andriana izany anarana Tombouctou izany ho an'izao tontolo izao. Nefa mahatandindonin-doza an'i Tombouctou ny ady any avaratr'i Mali sy ny fisian'ireo henja-pihetsika vitsy dia vitsy an'isa ao. Maro ireo mampaneno lakolosy fanairana.

27 Marsa 2012

Mampiantrano Ny Fifaninanana Voalohany Ho An'ny Vazimba Teratany Mpanapariaka Vaovao I Norvezy

Fantatra maneran-tany amin'ny fikarakarana ny Loka manan-danja Nobel ho an'ny fandriampahalemana i Norvezy. Amin'ity volana ity, ity firenena Skandinavy ity dia hampiantrano ny fiandohan'ny hetsika iray, tsy dia mbola malaza loatra nefa koasa manana ny lanjany, dia ny loka World Indigenous Television Broadcasters Network (WITBN), na ny Tambajotra iraisam-pirenen'ireo Vazimba...

15 Marsa 2012

Makedonia: Mitohy Misondrotra Ny Vidin-tsolika

Ny fisondrotana tsy mitsahatry ny vidin-tsolika no anton'ny olana maro ho an'ireo vahoaka ao Makedonia, ary ny sasany tsy misalasala miresaka ilay fihenjanana anaty hanihany

20 Aogositra 2011

ANGLETERA:#BlameTheMuslims Tenifototra Tao amin'ny Twitter Nivaona Tamin'ny Tokony Ho Izy

Sanum Ghafoor, izay mandeha ao amin'ny Twitter amin'ny @Strange_Sanum, dia silamo 19 taona ary mpianatra ao Angletera. Tezitra amin'ny fanondroana avy hatrany ny Silamo ho tompon'antoka amin'ireo herisetra maro isan-karazany, indrindra fa ilay asa fampihorohorona tao Oslo tamin'ny herinandro lasa teo iny, nanao tora-po tamin'ny fibitsihana tamin'ilay tenifototra #blamethemuslims (an'ny...

13 Aogositra 2011

Norvezy: Fitantaran'ny Nanatri-maso Ny Vono Olona Tany Utøya

Mitoraka bilaogy ny hitany maso sy ny zavatra nataony mba hahavelomany i Prableen Kaur, 23 taona, mpanao politika eo an-toerana ary tanora mpitarika avy any Oslo, raha nitifitra ireo tanora avy amin'ny fikambanan'ny tanoran'ny Antokon'ny mpiasa (Labour Party) Norveziana (Labour Party) any Utøya any Norvezy ny mpamono olona marary saina...

06 Aogositra 2011

Taratasy Iray Avy Ao Shina Ho An'ilay Norveziana Mpamono Olona

Maro ireo mponina ao Shina no tsy mahazo ny zava-doza nataon'i Anders Behring Breivik tao Norvezy. Saingy kosa tsy dia miraharaha ny antony nanosika azy sy ny foto-kevitra nijoroan'i Breivik. Eo imason'izy ireo, Norvezy dia paradisa, any ny olona no miaina amin'ny fahafaha-mividy ambony ary tsy mila ny hiatrika ny...