Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Tantara mikasika ny Frantsa

Fanafoanana ny ampahany voalohany amin'ny hetra tsoahana amin'ny vola miditra, fanavaozana ara-drariny ve ?

Ny fanafoanana ny hetra alaina amin'ny ampahany voalohany raha ny marina dia fanenjehana ilay ampahany faharoa izay ho lasa ampahany voalohany handoavana hetra.

Fahalalahana # Fanarahamaso : Toerana toy inona no homena ny fifampiresahan'ny kolontsaina isankarazany ao amin'ny Vovonana Erantany ho an'ny Demaokrasia?

Vovonana Erantany ho an'ny Demaokrasia tao amin'ny Filankevitr'i Eoropa tao Strasbourg, 18-20 nov., Lohahevitra: "Fahalalahana # fanarahamaso : mba hahazoana valiny demaokratika".

Israely : Ny savorovoro tao amin'ny seranampiaramanidina sy ny “Carlamania” nandritra ny fitsidihan'i Nicolas Sarkozy

Nirefotra ny poa-basy raha niala ny seranampiaramanidin'i Ben Gourion tao Israely ny Filoha Sarkozy. Araka ny fanadihadiana maika natao dia nitifi-tena ny iray tamin'ireo mpiambina azy, angamba namono tena. Kanefa araka ireo tatitra nataon'ny haino amanjery hafa dia mety fanina noho ny hafanana izy, ka nanapoaka tsy nahy ny basiny."

Bilaogera Frantsay iray voaheloka noho ny fitanany laharana tsara loatra tao amin'ny voka-pikarohan'i Google

Fikasihana ny fahalalahana miteny ? Bilaogera iray tsy faly no voaheloka vonjimaika ka voatery hanala ny lohatenin'ny lahatsorany sy hanonitra ilay tomponà trano fisakafoana.

Ireo fiara raitra an'ny filoha lefitra Tindorin Obiang, namidy amin'izay sahy lafo indrindra, hamatsiana vola ny fampandrosoana ao Guinée équatoriale

Ferrari 7, Bentley 5, Maserati 1 ary Aston Martin 1 no isan'ny hita tao anatin'ny katalaogy tamin'ity varotra ity izay natao tamin'ny 29 Septambra tao Zeneva.

Miady amin'ny fahadisoam-panantenana amin'ny alalan'ny vazivazy ny mpisera Twitter avy ao Makedonia Avaratra

Tsy tontosa ny daty hanombohana fifampiraharahana amin'i Albania sy Makedonia Avaratra hidirana ao amin'ny Vondrona Eoropeana, noho ny tsy fisian'ny fanohanana avy amin'i Frantsa.

Tezitra amin'ny tsy nahatafidirana ao amin'ny Vondrona Eoropeana ny Albaney; ‘mbola mamiratra’ ny masoandro, hoy kosa ny PM

"Ity no fahadisoana goavana indrindra nataon'ny EU tamin'ity taona ity, firenena eo ampanavaozana izay tena nila ity fanapahan-kevitra ity i Albania"

Mila fanampiana hamadihana ho asa mivaingana ireo vokatra entin'ny Kaonferansan'ny Firenena Mikambana COP21 momba ny Fiovàn'ny Toetrandro

Mariky ny fibolisaran'ny mpitondra frantsay amin'ny mpanao gazety ny fihazonana an'i Gaspard Glanz

Mampiasa ny tsiambaratelo momba ny fiarovana sy ny filaminana ho toy ny fialantsiny amin'ny fanenjehana ireo mpanao gazety ny governemanta Frantsay. Nihemotra ny orinasa.

Edward Snowden, ampamoaka 365 andro

Nanomboka ny 5 Jona 2013, betsaka ireo ampamoaka momba ny fanarahamaso erantany. Indro ny fitetezana ny sasany amin'ireo zavatra tena manandanja fantatray avy amin'ny ampamoaka nataon'i Snowden.