Tantara mikasika ny Frantsa tamin'ny Jolay, 2014
Ny Tsenam-barotry Ny Fifandraisan-davitra: Novain'ny Fitambaran'ny SFR-Numericable?
[...] Efa an-taonany vitsivitsy izao no misy fanavaozan-drafitra ara-teknika eo amin'ny tsenam-barotra noho ny finiavana misongan'ireo mpandraharaha hanamafy ny fisiany na eo amin'ny tsenam-barotry ny antso an-tariby, na ny finday. Noho izany fomba fijery izany indrindra no hitambaran'ny SFR sy ny Numericable, mba hamaliana ireo hetahetan'ny mpanjifa eo amin'ny lafiny sandany sy hamoràny.[...]
Lisitr'ireo Vakiteny Fahavaratra Avy Amin'ireo Mpikambana Global Voices Teny Frantsay
Mila vakiteny amin'izao fahavaratra izao? Indreto lisitry ny boky avy amin'ireo mpanoratra mpiteny frantsay ny ankamaroany izay atolotr'ireo mpikambana ato amin'ny GV.
Te-hifandray amin'ny Filoha Frantsay Teo Aloha Nicolas Sarkozy? Andramo Antsoina Amin'ny Findainy Amin'ny Anarana, Paul Bismuth Izy
Mpandraharaha momba ny tany aman-trano any Israely i Paul Bismuth izay niara-nianatra tamin'ny mpisolovavan'i Sarkozy tany amin'ny lisea tao Paris. Raha nanadihady mikasika ny kolikoly heno tamin'ny resaka an-tariby nataon'i Sarkozy ny fitsarana, nampiasa ny solon'anarana Paul Bismuth i Sarkozy.
Solidays 2014 : Fanomezam-boninahitra An'i Nelson Mandela Sy Ny Ady Nataony Tamin'ny SIDA
Manome voninahitra ny fahatsiarovana sy ny ady nataon'i Nelson Mendela, izay nanan-janaka lavon'ny SIDA rahateo ilay fetibe Solidays