Tantara mikasika ny Frantsa tamin'ny Jolay, 2011
Belarosia : Ny Atsinanana sy Ny Andrefana, Dia Tsy Misy Na Inona Na Inona Eo Anelanelany ?
"Ny Atsinanana dia Atsinanana ary ny Andrefana dia Andrefana, ary tsy hifanena na oviana na oviana ireo." Io andian-tononkalon'i Kipling io dia toa mampiseho ny zava-misy marina ho an'ny sarambabem-bahoaka ao Belarosia, izay, mifoha anaty tontolo tsy mahalala fomba sy mahery setra, manontany hoe : "Iza no mba miraharaha an'i Belarosia?"
Lahatsary: Tortillas, Chapatis, Mofo Sy Maro Hafa Manerana Izao Tontolo Izao
Betsaka amin'ireo kolontsaina no mampiaraka ny sakafony amin-javatra vita avy amin'ny voamaina; mofo, biskoitra sy karaza-mofo nahandroina tamin'ny entona no tena isan'ny sakafon'ny olna amin'ny toerana maro manerana izao tontolo izao. Androany isika dia hitsidika mpiangaly sy mpahandro mba hijery ny fomba fikarakaran-dry zareo sy fanaovany ny sakafo fanomeny ny fianakaviany.
Frantsa-Senegal: Nosamborin'ny Polisy Frantsay Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Tsy Mankasitraka An'i Wade
Manomana ny fifidianana ny ho filoham-pireneny i Senegal ny Febroary 2012. Valo volana tsy hahatongavan'ny latsabato, ny fiarahamonim-pirenena dia efa manohitra sahady ireo zavatra kotrehan'ny filoha, Abdoulaye Wade izay efa 85 taona, mba hiverenana eo amin'ny fitondrana indray.