Tantara mikasika ny Frantsa tamin'ny Janoary, 2011
Maraoka: Fitsidihana manokana ataon'ny mpanjaka any Frantsam
Araka ny voalazan'ny mpanao gazety Maraokana mpanohitra iray nifampitafa tamin'ny vohikalam-pampahalalam-baovao Frantsay Rue89 [fr] dia toa tonga nanao fitsidihana manokana (visite privée) any Frantsa nanomboka ny alakamisy teo ny mpanjaka...
Tontolo Arabo: Aiza i Ben Ali mipetraka?
Amin'izao fotoana izao raha nitsoaka ny firenena ny filoha Toniziana teo aloha Zine El Abidine Ben Ali, ny fanontaniana ao an-tsain'ny tsirairay dia ny hoe: Aiza izy izao no mipetraka?
Frantsa: Ilay akamanay taloha manahirana, Monsieur Ben Ali
Nipoitra ihany. Mahatsapa ny fanaovana mody fanina ao anatin'ny fotoana maharitra ataon'ny mpanao politika frantsay sy ny gazety mahazatra, noho ny fifankatiavana naharitra ampolony taona maro (teo amin'i Frantsa sy) teo amin'ny fitondrana Ben Ali ny mpamaham-bolongana frantsay sy ny mpisioka an-tserasera - ka hametraka tantara ho an'ny iray amin'ny zanatany Frantsay teo aloha, Tonizia, sy ho an'ny herinandro manantantaran'ny fahadisoana diplaomatika sy ny fanginana mahamenatra tany Frantsa.
Frantsa: Filaharam-pireharehana Toniziana tany Parisy
Anio, 15 Janoary, no manamarika ny "iray andro taoriana"sy ny andro voalohany naha-afaka an'i Tonizia tamin'i Ben Alia. Na eo aza ny ahiahiny momba ny herisetra tsy miato any Tonizia, ny havany ary ny hoavy, nampanantena tena ireo Toniziana 600 000 any Frantsa faindray andro any dia hifaly, hankalaza ary hizara fihetseham-po mahafinaritra iraisana. Ireto misy sary vitsivitsy avy amin'ny fampisehoana fireharehana Toniziana tany Parisy.