Tantara mikasika ny Zambia tamin'ny Janoary, 2019
Mahazo Onitra Sy Tombontsoa Ny Minisitra Nanoloana Ilay Tranonkala Zambiana Mpanaratsy

Teo anoloan'ny Tribonaly Amerikana, nenjehin'ny minisitra lefitra Zambiana misahana ny Varotra noho ny fanalàm-baraka ny vohikala Zambiana Kachepa360. Atahoran'ireo mpanakiana hiatrika zavatra mitovitovy amin'izao atsy ho atsy ireo tranonkala media an'olontsotra mitatitra momba ny fihetsiky ny governemanta.
Zambia: Rahonan'ny zanakalahin'ny filoha ny mpanao gazety, “Matinay ialahy”

Sady voadaroka no norahonan'i Kazim Sata zanakalahin'ny filoha, dia mbola hiatrika fitsaràna noho ny raharaha lazaina fa mampifamatotra azy amin'ny tranonkala Zambian Watchdog i Thomas Zgambo, mpanao gazety tsy miankina. [...] tokony ho tsaroany fa ho avy ny fotoana izay tsy hananany mpiambina manokana intsony...
Zambia: “Hankalaza” ny Fanidína ilay Vohikala Fampitam-baovao ny Filoha Lefitra

Nilaza tamin'ny parlemanta ny Filoha Lefitra Zambiana, Dr. Guy Scott, fa hifaly raha toa ka hikatona ny vohikala Zambian Watchdog. Ny hariva nialoha ny fanambarany, lasa nanano-sarotra tampoka ny fidirana ny ZW. Nitatitra ireo mpamaky avy any ivelany fa tafiditra soa aman-tsara raha toa kosa tsy tafiditra ireo tao Zambia.