· Jolay, 2011

Tantara mikasika ny Zambia tamin'ny Jolay, 2011

Zambia: Pastora Mampiasa ny Facebook Mba Hitoriana Filazantsara

  11 Jolay 2011

Ny Matio 28: 19 no mibaiko ireo rehetra nantsoina hanely n y filazantsaran'Andriamanitra, “Mandehana ka ataovy ho mpianatra ny firenena rehetra…” Mampiasa ny fomba rehetra sy ireo seha-pifanakalozan-dresaka anaty aterineto mba hitoriana teny ireo mpitory filazantsara Zambiana. Niaraka tamin'ny fahatongavan'ireo tambajotra toy ny Facebook, misy amin'ireo pastora be ketrika sy mpitory teny mafàna fo no mampiasa ny vohikala hanakaikezana ireo “fanahy very”

Zambia: Ahoana no hahatsiarovana an'i Chiluba?

  09 Jolay 2011

Ahoana no hahatsiarovana an'i Chiluba? Izany no fanontaniana iadian'ireo mponina Zambiana amin'ny aterineto hevitra ao amina tambanjotra maro samihafa. Saika hita taratra eny amin'ny fitenin'ny Zambiana tsirairay ny resa-mandeha mikasika ny fahafatesan'ny filoha teo aloha sy ny fahamarinany izay manambara fa ny andro iray hahafatesan'ny elefanta dia izay no resaka ao an-tanàna.