Tantara mikasika ny Oganda tamin'ny Aogositra, 2018
Fitsinjarazaràna Avy Any Ogandà
Mitohy miditra amin'ny volana faha-telo ny fifampiresahana mavesatra mikasika ny fandriampahalemana ao Juba, Sodana, eo amin'ny Governemanta Ogandey sy ny Lord's Reistance Army (LRA), miaraka amin'ny fifampiampangana ataon'ny andaniny sy ny ankilany ho tsy manaja ny fifanarahana mikasika ny fampitsaharana an'ireo habibiana. Na izany aza, voasoroka ny fahatapahana tanterak'ireo fifampiresahana ireo rehefa nanambara ny Governemanta an'i Sodana Atsimo fa tsy ny LRA mihitsy, fa kosa ireo mpikatroka Sodaney tavaratra miteny arabo, no namono sivily 38 tao an-tanàna manakaiky an'i Juba.
Fandinihantena Sy Fikarohana Ny Antom-pisiana Ao Anaty Tontolom-bolongana Oganda
Manana olana ara-pisiana miseho amin'ny endrika isankarazany ireo blaogera Ogandey. Nanomboka tamin'ny volana janoary ny fandinihantena eny anivon'ireo Blogren, raha toa izy ireo nanomboka nifampiantso, rehefa injay marobe ireo blaogera nanohitra ny famoronana ny Ora Mamalifaly (Happy Hours) ho an'ireo Blaogera ao Oganda sy ireo Loka ho an'ny Bilaogy Tsara Indrindra ao Ogandà.
Ambangovangony Mikasika Ireo Fifanoherana, Ireo Pitsopitsony Manahirana Ary Ny Hatsaran'ny Fiainana Ao Ogandà
Ny Nosy Nsazi sy ireo nosy maro hafa eo amin'ilay Farihy, no hery misintona an'ireo ogandey tsy an'asa. Ny tanànan'i Nsazi no tena fitaratra tsara ahitàna ny niafaran'ireo nosy eo amin'ilay farihy.. ... Saingy, ankehitriny, ny olona no tena manimba haingana ny Farihy.
Mety hihena ny taranaka rajako ao Oganda
Efa fantatra hatramin'izay fa manodidina ny 700 ny isan'ny Rajako An-tendrombohitra mbola velona any anaty ala amin'izao fotoana (2009)- ny 336 amin'izy ireo no any Oganda - saingy nisy ny fanadihadiana vaovao navoaka tao amin'ny gazety New Scientist izay nilaza fa mety ho kely ny fanantenana momba izany.
Oganda: Nahoana no tsy nanoratra mikasika ilay tantara lehibe indrindra an'ny firenena ireo Ogandey blaogera ?
Tamin'ny 5 Martsa, nanao fitokonana ireo ogandey mpitsara sy mpahay lalàna taorian'ny bemidina bataon'ireo mpiaro ny filoha tao amin'ny Fitsarana Avo mba hisamborana indray ireo olona enina noahiahiana ho mpamadika izay navotsotra rehefa avy nandoa onitra
Fanavaozana avy ao Ogandà: resaka fandriampahalemana, fampihavanana, ary filoha tezitra
Tamin'ny herinandro lasa teo, nitondra ireo mpikomy avy tao amin'ny LRA hivory tamin'ny voalohan'ny volana Desambra ho ao amin'ireo toerana roa fivoriana ao atsimon'i Sodàna ilay fanavaozana indray ny fampitsaharana fifampitifirana.
Oganda: Fahatsiarovana an'i Bangi
Nahatsiaro tamim-pitiavana ny fahafatesan'ilay Ogandey Wilfred Bangirana, olo-malazan'ny onjam-peo, ireo bilaogera noho ny talentany tamin'ny naha DJ tranainy azy.