Tantara mikasika ny Oganda tamin'ny Janoary, 2013
Oganda: Manoloana Ireo Sakana, Tontosa Ihany Ilay Gay Pride Voalohany Natao Tany Entebbe
Nisarika ny sain'izao tontolo izao i Oganda tamin'ny 2009 rehefa nanolotra ilay vvolavolan-dalàna " Kill the Gays" na "Vonoy ny Gay") manameloka ny fiarahan'ireo mitovy taovam-pananahana (homosexuel) ny mpikambana iray ao amin'ny parlemanta, ary vao haingana ihany koa ,tamin'ny fiandohan'ity taona ity, rehefa nisy namono i David Kato, LGBT mpikatroka mafàna fo. Nefa tsy nahasakana ny LGBT tany Oganda tsy hanatontosa ilay Gay Pride voalohany tao amin'ny fireneny natao tany Entebbe izany tamin'ny fiandohan'ity volana ity.
Oganda Tamin'ny 2012: 50 Nahaleovan-tena Sy Solombavambahoaka Tanora Indrindra Ho An'i Afrika
Iray amin'ireo taom-pahasambarana teo amin'ny tantaran'i Oganda ny 2012. Fahatsiarovana mamy miainga avy any amin'ny nahalanian'ilay mpikambana tanora indrindra ao amin'ny Parlemantam-Pirenena tamin'ny fankalazana ny faha-50 taona nahaleovan'ny firenena tena.
E-boky GV Vaovao: Feom-Panantenana sy Fiovàna Afrikana
"Feom-panantenana sy fiovana Afrikana" mampanakaiky anao kokoa amin'ireo tantara sy vahoakan'i Afrika atsimon'i Sahara, amin'ny alalan'ireo lahatsoratra tsara indrindra amin'ny teny anglisy nandritra ny taona 2012 - kadoa lavorary entina hiarahabana ny taona vaovao.