Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny Oganda tamin'ny Jolay, 2012

13 Jolay 2012

Lahatsary: Misokatra Ny Fifaninanana Manerantany Horonantsarimihetsika Iray Minitra Momba Ny Tontolo Iainana

Manomboka ny fifaninanana horonantsarimihetsika iray minitra miompana amin'ny tontolo iainana andiany fahatelo karakarain'ny Tve Biomovies. Mahazo mandray anjara avokoa izay rehetra mihoatra ny sivy taona manana fakantsary ka manana hevitra hanao lahatsary (video) iray minitra miompana amin'ny lohahevitra mifandraika amin'ny tontolo iainana mba hahazoana loka $300 ahafahana mifaninana hahazoana loka...

Oganda: Mahatsiaro Ny Fipoahana Baomba Tamin'ny 2010

Naka ny Facebook sy Twitter ho sehatra hanehoany ny fahatsiarovana ny tra-doza tamin'ny fanapoahana baomba tamin'ny 2010 tao amin'ny Rugby Club Kyaddondo sy trano fisotroana tao aminà tanàna Etiopiana ao Kampala ry zareo Ogande. Nitranga ilay fanafihana raha iny teo am-pijerena ny lalao famaranana ny fiadiana izay ho Tompondaka Erantany...

12 Jolay 2012

Oganda: Aretina Mampihozona Loha Tsy Mamela Ny Ankizy Hanana Ny Ho Aviny

James Propa dia mizara sary sy lahatsary YouTube momba ny zavatra ateraky ny aretina mampihozona loha any Oganda. Ny aretina mampihozona loha dia aretina mampalemy ara-batana sy ara-tsaina ary ny ankizy no tena voan'izy ity. Faritra kely ihany ao Atsimon'i Sodana, Tanzania ary Avaratr'i Oganda no misy an'izy ity amin'izao.

09 Jolay 2012

Oganda: Ny Lainga Ogande Tsara Indrindra Ao Amin'ny Twitter

Ny tenifototra #TopUgandanLies sy #TopKenyanlies dia mampiasaina ny tontolo andron'ny 13 Jona, 2012, izay nizarana tamin'ny Twitter ny lainga tsara indrindra eto amin'ny faritra. Ho an'ny mpampiasa Twitter @PhenomenalPPP, ny lainga Ogande tsara indrindra dia " Ety an-dàlana aho, tonga any aho afaka 15 minitra".Vakio ao amin'ny lisitry ny lainga...