Tantara mikasika ny Oganda tamin'ny Febroary, 2012
Afrika: Mifidiàna Izay Afrikana Mpisaintsaina Tena Henoin-teny Indrindra Mbola Miaina
Ny bilaogy "Africa is a Country" dia mangataka ireo mpamaky mba hifidy ny Afrikana mpisaintsaina tena henoin-teny indrindra ao anaty lisitra ahitàna mpifaninana 12. Ilay lisitra dia ahitàna an-dry Chinua Achebe (Nizeria), Mahmood Mamdani (Oganda), Mamdouh Habashi, (Ejipta), Kwame Anthony Appiah (Ganà/Etazonia), J M Coetzee (Afrika Atsimo/Aostralia) ary Issa Shivji (Tanzania). Misokatra amin'ny 5 Martsa 2012 ny fifidianana.
Oganda: Adihevitra Taorian'ny Fanambarana Nataon'ny Filoha Mikasika ny Solitany
Niatrika ny parlemanta ny filohan'i Oganda Yoweeri Kaguta Museveni tamin'ny 10 Febroary 2012 mba hanome vaovao ho an'ny firenena mikasika ny tsy fahampian'ny herinaratra sy ny fitrandrahana solitany ao amin'ny renirano Albert. Museveni nanambara fa tamin'ny taona 2006...
Oganda : Ny Resabe Mikasika Ny Zanaky Ny Mpanjaka Buganda Ivelan'ny Fanambadiana
Ny Talata 17 Janoary 2012, ny Fanjakan'i Buganda tao Ouganda dia nanambara ny fahaterahan'ny zanakalahy hfaharoan'ny mpanjaka (Kabaka), Ronald Muwenda Mutebi II. Ilay fanambarana dia nahatonga resabe sy fanehoan-kevitra samy hafa noho ilay printsy vaovao teraka ivelan'ny fanambadiana.