Tantara mikasika ny Tanzania tamin'ny Oktobra, 2018
Ny Herinandron'ny blaogy Kiswahili
Manambara ireo tarehimarika ofisialy ao Tanzania sy any an-kafa fa tamin'ny 1964, nikambana mba hamorona ny Repoblika Miray an'i Tanzania i Tanganyika sy Zanzibar . Tena nisy marina ve izany? Aiza no misy ny antotankevitra niandohana ho an'ireo Toko sy andininy momba ilay Firaisana? Manontany i Mwandani.
Nahoana No Miresaka Fanandevozana Ireo Tantara Noforonin'ny Afrikana Sy Haisiana ?
Nahoana no atsidika kely fotsiny ao anaty tantara Afrikana sy Haisiana noforonina ny resaka fanandevozana? Io no fanontanian'i Kangni Alem, Togoley blaogera monina ao Frantsa, nalefany tao amin'ny fampidirana am-biloagy miparitaka be iray sy voasaina tsara. Malahelo izy fa ny tantara afrikana dia tsy ahitana an'ireo andalan-tsoratra maro mikasika ny onjam-panandevozana izay nanafay ny tanibe ary tsipihany fa tsy manan-danja lehibe amin'ny literatiora haisiana ihany koa izany, hitany ho azo leferina ihany ireo antony'ny fanesorana izany ho an'ireo haisiana mpanoratra.