Tantara mikasika ny Sodàna
Sodàna: Miezaka ho velona tsy ampian'ireo ONG
Ny 4 Martsa 2009, ny Cour Pénale Internationale (CPI) dia namoaka didy fampisamborana ho an'ny filohan'i Sodàna, Omar Hassan al-Bashir. Ho valifaty dia 13 ireo ONG noraràna dieny ny ampitson'io tsy hahazo hiasa ao amin'ilay firenena, isa tafakatra ho 16 ny herinandro taorian'izay
Ahoana moa no andrahonan'ny fanomezan'i Etazonia fitaovam-piadiana an'i Arabia Saodita ny fandriampahalemana sarotra azo ao Sodàna
Vatsian'ny Saodiana vola sy fitaovam-piadiana ny RSF, koa raha manohana ny fifanaraham-barotra fitaovam-piadiana amin'i Arabia Saodita i Etazonia dia efa manohana ihany koa ny RSF izany ry zareo.
Shina: Rahonan'ny sivana aterineto Amerikana
Andro vitsy taorian'ny kabarin'ny Sekreteram-panjakana amerikana Hillary Clinton momba ny fahalalahan'ny aterineto, nosakanan'ny SourceForge.net (fitehirizana loharano kaody tovozona malalaka) ny fidirana amin'ny adiresy IP avy any Kiobà, Iran, Korea Avaratra, Sodana ary Syria.
Feo avy amin'ny Tandrok'i Afrika (Etiopia) sy Sodàna: ny asan'ny vokovoko mena, ny fitongilanan'ny Tandrefana, ny tondron-kolikoly
Manomboka ao Darfur ary miaraka amin'ny vaovao tsara ny fijerinay izay lazain'ireo bilaogera ao amin'ny Tandrokin'ny kaontinanta Afrikana sy Sodana. Sleepless in Sudan mitatitra fa nesorina ny fandraràna ny fifamoivoizana ara-barotra any amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana antsoina hoe Kalma.
Bahrain: Omar Al Bashir sy ny fitsarana mitanila
Maneho hevitra amin'ny vaovao momba ny didy fisamborana ny filoha Sodaney Oma, navoakan'ny Fitsarana Heloka bavava Iraisam-pirenena (ICC amin'ny teny Anglisy).
Ny vehivavy no mitarika ny hetsi-panoherana any Sodana
"Eo anoloana, eo ankavia ary eo afovoan'ny revolisiona ny vehivavy. Rehefa nanomboka nanao hetsi-panoherana ny olona dia heno ny feo toy ny hoe: 'Tokony hijanona any an-trano ny vehivavy.' Fa - tsia hoy izahay.
Raha Toa Ka Mametraka An'i Siria Ao Anatin'ny Lisitra Fotsy, Mbola Sakanan'ny Linkedin Hatrany Kosa Ireo Mampiasa Aterineto Any Sodana!
Taorian'ny nanakanan'ny Linkedin, ilay tambajotra sosialin'ny fandraharahàna, ireo mpampiasa Aterineto tany Siria ary avy eo namela azy ireo indray sady niala tsiny (toy ny notaterin'ny ArabCrunch.), voamarina fa mbola tsy afaka miditra amin'ny Linkedin ireo mpampiasa Aterineto any Sodàna (firenena Afrikana Arabo ), izay nosakanan'ny Linkedin efa volana maro lasa izay
Nesorin'ny SourceForge Ny Lamba Nandrakotra
Tamin'ny Janoary lasa teo, tamin'ny andro izay nanaovan'i Hillary Clinton, Sekreteram-panjakana amerikàna, kabary momba ny fahalalahan'ny aterineto, nobahanan'ilay vondrom-piarahamonin'ny loharano misokatra, SourceForge, ny fahafahana miditra ho an'ireo mpisera ao Sodàna, Siria, Iràna, Kiobà ary Korea Avaratra, tafiditra ao anatin'ny ezaka hifandrindra amin'ny fepetra amerikàna momba ny fanondrànana harena sarobidy any amin'ireny firenena ireny. Ny Alahady, ,ilaza ny SourceForge fa nesorina ireo fibahanana, ary navoakany ny stratejiany vaovao hifandrindra amin'ny lalàna amerikàna.
Serbia: Fihetsik'ireo Blaogera Afrikana Manoloana Ny Nisamborana An'i Karadžić
Taorian'ireo vaovao nilatsaka tamin'ny Alatsinainy hariva hoe voasambotra ilay mpitondra Bosnian Serb teo aloha sady iray tamin'ireo olona tena nokarohina fatratra erantany Radovan Karadžić , dia nanomboka naneho hevitra mikasika ilay tantara avokoa ireo blaogera ankon'ny fahagagana tao Balkans sy ireo rehetra erantany. Ary noho ny fangatahan'ny Lehiben'ny Mpampanoa Lalàna Iraisam-pirenena (ICC), Luis Moreno-Ocampo hanenjika ny Filoha Sodaney Omar al-Bashir, niroso tamin'ny fampitahana an'ireo raharaha roa ireo ny blaogera sasantsasany.
Nahatratra Dingana Lehibe Iray Vaovao ny Tontolon'ny Bilaogy Sodaney
Manomboka mahazo vahana ny tontolon'ny bilaogy Sodaney. Tena mavitrika ireo bilaogy voasoratra amin'ny teny Anglisy amin'izao, mampiseho ny endrika tena izy, samihafa ary voajanaharin'i Sodàna amin'izao tontolo izao.