Tantara mikasika ny Sodàna Atsimo
Sodàna Atsimo: Afaka Ihany Nony Farany!
Nahazo firenena vaovao i Afrika : Ny repoblikan'i Sodàna Atsimo. Nanao fitsapan-kevibahoaka i Sodàna Atsimo ny 9 Janoary 2011; amin'ny hoe hijanona ho faritr'i Sodàna ve izy sa tsia. Taorian'ny fifidianana saika lanin'ny besinimaro (99%) ho an'ny fahaleovantena hiala amin'ny avaratra, dia nambara tamin'ny 9 Jolay 2011 ny fahaleovantena ofisialin'i Sodana Atsimo. Miresaka mikasika ity vanim-potoana manan-tantara ity ireo mpitoraka bilaogy.
Sodàna Atsimo: Hafatra momba ny #LoveFromSudan
Ny ampitson'ny fahaleovantenan'i Sodàna Atsimo, nanangana vondrona hetsika ny tanora Sodaney izay miezaka hampisy fifanakalozana sy firahalahiana eo amin'ny Atsimo sy Avaratra ary hampifandray amin'ny alalan'ny aterineto ny tanora avy amin'ireo firenena roa ireo. Mo Elzubeir no nifofotra voalohany tamin'ny fampielezana horonantsary, hafatra fandefasam-peo sy Twiter #lovefromsudan, ary navitrika aoka izany tamin'ny fampandrosoana...