Tantara mikasika ny Senegal tamin'ny Jolay, 2018
Italia, Tonizia: Tenina Mpifindra Monina Mikasika ny Lohataona Arabo
Inona no hevitr'ireo mpifindra monina mipetraka ao Italia momba ny hetsika vao haingana tao Afrika Avaratra? Inona no hetvit'izy ireo mahakasika ny anjara asan'ny Aterineto? Ny fijoroana vavolombelon'izy ireo dia nangonina tao anatina lahatsary fanadihadiana izay nalefa mandritra ny Fihaonana ''Tonizia, ny vanim-potoanan'ny jasmina'', nandritra ny fetin'ny sarimihetsika Immaginafrica, ny 14 novambra 2011 tao Padoue.
Iran: Bilaogera manoratra boky momba ny fiantraikan'ny aterineto
Cyrus Farivar dia bilaogera, mpanao gazety sady mpanoratra monina ao Etazonia. Manoratra boky momba ny fiantraikan'ny aterineto eo amin'ny fiarahamonina izy ankehitriny. Manoratra momba ny fiantraikan'ny aterineto ao Iran, Senegaly, Korea Atsimo ary i Shipra.