Tantara mikasika ny Senegal tamin'ny Janoary, 2016
Ny Lova Afrikana Ao Amin'i Alan Rickman Sy Ny Andian-tantara Harry Potter
Tsy rariny amin'ny lalan'asan'i Rickman, izay mihoatra lavitra noho ny maha-mpilalao sarimihetsika ny mamintina ireo talentany maro karazany amin'ireo sarimihetsika ireo. Tsapa tamin'ny alalan 'ireo asa soa notohanany ny taratra nentiny, nitondra soa ho an'ny olona manerana izao tontolo izao.
Fijoroana Vavolombelona Nataon'ny Gineana Iray Mpitoraka Bilaogy Mikasika Ireo Fanararaotan'ny Polisy Eny Sisintany Ataony Amin'ny Anaran'ireo Fepetra Manohitra Ny Fampihorohoroana
Gineana iray mpianatra sady mpitoraka bilaogy, Dieretou Diallo, monina any Nice, Frantsa, no niaina zava-mahamenatra nandritra ny fialàny tao Parisy ho any Dakar mba handray anjara amin'ny fandefasana any Dakar, ny 28 Novambra 2015 teo, ny Afrikctivistes, ligy Panafrikan''ireo mpikatroka ho an'ny Demokrasia. Mitantara ny fahasorenany tao amin'ny bilaoginy “De vous à moi”, izy
Mali: Mikononkonona Ankivy Amin'ny Orange, Orinasa Goaibe Marorantsan'ny Antso Amin'ny Finday, Ireo Mpanjifa Tezitra
Misavorovoro ny tontolon'ny bilaogy Maliana tato ho ato ! Ny antony ? tsy faly amin'ny tolotra omen'ny orinasa goaibe marorantsana frantsay Orange ny mpanjifa. Nanapa-kevitra ny hanao ankivy amin'ny tolotra omen'io orinasa misandrahaka any amin'ny firenena afrikana 16 io ireo mpanjifa tamin'ny voalohan'ny volana desambra 2015.