Tantara mikasika ny Rwanda
Tsy demaokrasia raha maniry “filoham-pirenena mandrakizay” ireo mpifidy ao Roandà?
Notsikeran'ny mpanohitra sy ireo mpikatroka ny zon'olombelona ary koa ireo mpiara miombon'antoka ho an'ny fampandrosoana iraisam-pirenena tahaka ny Etazonia sy ny vondrona Eoropeana ny fitsapan-kevi-bahoaka tao Roandà tamin'ny taona 2015.
Akon'i Zimbaboe: Nivadika tsimoramora ho mpanao didijadona ilay nantenaina ho mpanavotra
"Nisandratra i Tsvangirai tsy amin'ny maha-mpamonjy tsara fanahy araka ny nijeren'ny Zimbaboeana azy, fa tahaka ny lasibatra iray hafa tamin'ny areti-mifindra mahatsiravina izay lazaina fa nanakana ny firoboroboana sy ny fivoaran'ny kaontinanta: mpanao didy jadona, tsy refesi-mandidy iray hafa eo am-piofoana.
Feo avy ao Zimbaboe
Manohy ny Kongresim-bahoakany ao Esigodhini, tanàna kely any Matabeleland ny ZANU-PF, ary tsy nahavita nanetsika fanohanana teny ifotony na dia kely aza.
Feo avy ao Zimbaboe miampy firenena 3 hafa (2005)
Tongasoa eto amin'ny fizarana fanokafana ny "Feo avy amin'ny Zimbaboe miampy 3" izay antenaiko fa hahita vavao avy amin'ny tontolon'ny bilaogy Afrikanina maromaro ianao.
RDC: Media Tandrefana, Vahiny Mpitsabatsabaka ary Fifidianana
Marobe ireo bilaogera no nalahelo noho ny fitsabahana'ireo vahiny sy ireo firenena manodidina hafa miara-miasa amin'ny tetezamita, izay hitan'izy ireo ho mafy tanana amin'ny fizotran'ny fifidianana.
Bilaogy ao Zimbaboe, Burundi, RDC, Malawi
Zimbaboe: Feno 82 taona amin'ny volana manaraka i Robert Mugabe, farany amin'ireo "lehilahy lehiben'i Afrika". Nanomboka nimenomenona momba ireo drafitra fikarakarana ny fety tsingerintaona mihoam-pampana ny mpikambana ao amin'ny antokon'ny fitondrana ZANU-PF na dia eo aza ny fitontongan'ny toekarena sy ny hanoanan'ny mponina.