Tantara mikasika ny Repoblikan'i Kongo

Manako Any Afrika Ny Fametraham-pialàn'ny Papa

  24 Marsa 2013

Niteraka fihetseham-po tamin'ny Firenena Afrikana mampiasa ny teny Frantsay, na tamin'ny haino aman-jery nentim-paharazana na tamin'ny tambajotra sosialy, ny fanambaran'ny Papa Benoà XVI mikasika ny faniriany hiala amin'ny asany nanomboka amin'ny 28 Febroary 2013. Ny fankasitrahana ny Papa miaraka amin'ny hetaheta mba hisian'ny mpitarika Afrikana sasany haka ohatra amin'ny nataony no tena fihetseham-po nibahana tao.

Ireo Fitsabahana Ara-tafika Ataon'ny Frantsay Ao Afrika

Nanomboka ny 11 Janoary ny firotsahana ara-tafika ataon'ny frantsay ao Mali, antsoina hoe Opération Serval, taorian'ny fandrosoan'ny vondrona islamista nankao Bamako. Noarahabain'ny ampahany tamin'ny vahoaka tao Mali sy ny mpanaramaso avy any ivelany, nefa miala amin'ny fitsipiky ny tsy fitsabatsabahana any Afrika nofaritan'ny filoha frantsay Hollande ity firotsahana ity.

Ainga Vaovao Ho An'i Barack Obama Any Afrika ?

  08 Novambra 2012

Raha voafidy indray Barack Obama hitondra mandritra ny efa-taona any Etazonia, Afrika kosa dia manao tombana ny efa-taona nitondràny Amerika sahirana kokoa amin'ny olana ara-toekarena noho ny fifandraisana ivelany, indrindra ny fifandraisana amin'ny kaontinanta afrikana. Lehibe tokoa ny fanantenan'ireo afrikana, nefa maro no mieritreritra fa hahafahan'ny Filoha Obama mandinika lalindalina kokoa momba ny olana afrikana ny fe-potoam-piasàna faharoa azony.

Repoblikan'i Kongo: Taorian'ny Fipoahana, Fahatezerana Sy Fiaraha-Mientana

  06 Marsa 2012

Iray andro taorian'ny fipoahana fitoeram-bala tao Mpila akaiky an'i Brazzaville ny 4 marsa teo, dia tonga ny andro anombanana ny isan'ny niharam-boina. Ny fanombanana farany dia milaza fa manodidina ny 150 ka hatramin'ny 200 ny isan'ny maty ary 1500 ny isan'ny naratra vokatry ny fipoahana. Efa nanome lalana ny fahatezerana sy ny fiaraha-mientana ankehitriny ny hatairana sy ny fikoropahana.

Andro iadiana amin'ny SIDA manerantany: Ireo mitondra ny tsimok'aretina

  30 Novambra 2008

Ity taona ity no manamarika ny faha-20 taona ny Andro manerantany iadiana amin'ny SIDA izay tanterahina isaky ny voalohany volana Desambra. Na dia tsapan'ny olona anarivoarivony amin'ny ankapobeny isan'andro aza ny fiantraikan'ny VIH sy ny SIDA dia ity kosa ny andro manokana hamphafantarana bebe kokoa ny amin'ity aretina ity. Ny...

Kôngô-Brazzaville : Fiarovana ireo sokatra an-dranomasina

  25 Avrily 2008

Congopage dia mitatitra mikasika ny andraikitry ny fikambanana Rénatura Congo izay misahana ny fiarovana ireo sokatra an-dranomasina any Repoblikan'i Kôngô : Rénatura est actuellement dans sa huitième année d’action en faveur des tortues marines sur le littoral du Congo-Brazzaville […] C’est à la saison de ponte que les tortues sont...