· Septambra, 2018

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Septambra, 2018

Maoritania: Fanonganam-panjakana

  12 Septambra 2018

Tokony ho tamin'ny 5 ora, ora tao an-toerana (sy GMT), azon'ireo miaramila mpiambina ny filoham-pirenena ny fifehezana ireo tranoben'ny fitantanan-draharaha, ny onjampeo sy ny fahitalavi-pirenena, ary nobahanany ny fidirana tao amin'ny lapa sy ireo minisitera.

Manohana Blaogy Afrikana Ny BBC

  12 Septambra 2018

Hatry ny ela ny BBC no efa mamporisika an'ireo mpamaky sy ireo mpihaino ny tolotra omeny an'i Afrika mba hiresaka ny fomba fijerin-dry zareo mikasika io tanibe io, amin'ny alalan'ny famakiana lahatsoratra

Blaogy Sokwanele Tao Zimbaboe

  12 Septambra 2018

Ao am-piomanana ho amin'ireo fifidianana solombavam-bahoaka hatao ny 1 aprily 2005 i Zimbaboe. Tsy misy isalasalàna ny ho vokatra. Ny ankamaroan'ireo mpanara-maso dia miandry avokoa fa ny antoko Zanu-PF-n'i Robert Mugabe eo amin'ny fitondrana no hahazo ny fandresena mavesatra, hahazo fara-faharatsiny ny 75%-n'ireo vato. Tsy hoe satria manana ny lazany manokana akory ny antoko Zanu-PF, fa satria rakotra kolikoly ny zotran'ny fifidianana ka tsy ahafahan'ny mpanohitra handresy mihitsy.

Manao Blaogy Mikasika Ny Herisetra Tao Etiopia i Andrew Heavens

  11 Septambra 2018

Herinandro vitsivitsy lasa izay, sahala amin'ny toa fandresena goavana ho an'ireo mpomba ny fisokafana sy ny fanapariahana ny demokrasia ireo fifidianana tao Etiopia. Tamin'ny alàlan'ny fitaterana ny toa fitomboan'ny seza azon'ny mpanohitra, toerana 12 hatramin'ny 174, ao amin'ny parlemanta izay ahitana toerana 547

Tonga Hatrany Maghreb Ny Tontolon'ny Bilaogy Toniziàna

Manoratra mikasika ny maha-zava-dehibe ny fampidirana ny Firaisankina Maghreb ny blaogera toniziana Big Trap Boy, izay ahitana an'ireo firenena avy ao Afrika Avaratra, sy ireo tombontsoany ho an'ny vahoaka rehetra ao amin'ny faritra. Antsoiny ihany koa ireo blaogera toniziana sy ireo Maraokana, Alzeriana, Maoritaniana ary Libiana mba hanao ny andron'ny 1 jona ho andro fanaovana blaogy hanentanana ny Firaisankina Maghreb, hoy ny tatitr'i Samsoum.

Madagasikara – Frantsa: Miteraka Ahiahy Amin'ny Jadon'ny Governemanta Ny Fandroahana Ireo Teratany Frantsay Anankiroa

  09 Septambra 2018

Teratany frantsay anankiroa, Christian Chadefaux sy mompera Urfer, nipetraka teto Madagasikara efa am-polo taona maro no namoahan'ny governemanta malagasy didy tamin'iny volana lasa iny (may 2007) fa olona tsy iriana honina eto Madagasikara. Andro vitsy monja taorian'ny nahalany an'i Nicolas Sarkozy ho filohan'i Frantsa izay nanao ho laharam-pahamehana ny fandroahana ireo mpifindramonina tsy ara-dalàna io fanapahankevitra io. Fifanandrifian-javatra ve ? Manome ny heviny ireo malagasy mpitoraka bilaogy .

Kamerona : Vehivavy Kameroney Bilaogera Vitsivitsy

  06 Septambra 2018

Maneho ny heviny eo amin'ny aterineto amin'izay ireo vehivavy Kameroney miteny anglisy, amin'ny alalan'ny bilaoginy, na momba ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny lamaody sy ny kolontsaina, na koa ny toe-piainan'ny vehivavy.