· Aogositra, 2018

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Aogositra, 2018

Mety hihena ny taranaka rajako ao Oganda

  20 Aogositra 2018

Efa fantatra hatramin'izay fa manodidina ny 700 ny isan'ny Rajako An-tendrombohitra mbola velona any anaty ala amin'izao fotoana (2009)- ny 336 amin'izy ireo no any Oganda - saingy nisy ny fanadihadiana vaovao navoaka tao amin'ny gazety New Scientist izay nilaza fa mety ho kely ny fanantenana momba izany.

Charles Taylor: Satria mandeha ny tantara

  16 Aogositra 2018

''Tamin'ny Aogisitra 2003, nentina tamin'ny Boeing 727 fiaramanidin'ny filoham-pirenena Nizeriana i Charles Taylor, Liberiana mpitondra taloha, avy tao Monrovia nankany Abuja. Vao nahazo fialofana tany Nizerià tao anatin'ilay fifanarahana teo ambany fiahian'ny Firaisambe Afrikana, ny Firenena Mikambana (ONU) sy Etazonia i Taylor, izay natao mba hanajanonana ny ady an-trano tao Liberia. ''

Banjina Iray Mikasika Ny Tontolombolongana Ao An-tandrok'i Afrika Sy Sodàna

  15 Aogositra 2018

Revo amin'ny fandanjalanjàna ny teo-draharaha politika ao amin'ny fireneny ireo Etiopiana bilaogera taorian'ireo fifidianana solombavam-bahoaka natao tamin'ny volana May 2005, izay nandresen'ny antokon'ny Praiminisitra Meles Zewani eo amin'ny fahefana. Tao anaty lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe Politics is the Continuation of War by Other Means, (Fitohizan'ny ady amin'ny fomba hafa ny politika) kianin' i Ethiopundit ny governemanta Etiopiana noho ny fomba izay nitantanany ireo fifidianana sy ny famonoana an'ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny volana Jona, ankoatra ireo zavatra hafa.

Kenya: Hanohitra Sa Tsy Hanohitra?

  14 Aogositra 2018

Voazarazara be loatra avy ao anatiny ny ankamaroan'ny firenena, mba tsy ho lasa loharanonà adintsaina ho an'ny ankamaroan'ireo mpitondra ny fifanarahana fikomiana hanoherana ny governemanta...Hanohitra sa tsy hanohitra? Io no fanontaniana. Tohin'ny andraikitra noraisin'ny media sosialy Twitter tao anatin'ireo fihetsiketsehana toniziana sy ejiptiana, miady hevitra eo amin'ny Twitter ireo keniana ny amin'ny hakàna tahaka an'ireo fihetsiketsehana ireo na tsia. Ireo tenifototra #KenyaFeb28 and #ChoosePeace no fironana eo amin'ny Twitter.