Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Aogositra, 2017
Feo Avy Ao Zimbaboe
Noho ny fotoanan'ny orana ankehitriny ao Zimbaboe, any amin'ny firesahana sy ny tombatombanana mikasika izay vinavina ara-pambolena miandry antsika ny ankamaroan 'ny fotoana sy ny fifantohan'ny firenena.
Efa Zavamisy Iainan'ny Ankizy ao Ambovombe Ny Faharavan'ny Sivilizasiona
Nilaza ny boky siantifika iray nivoaka tao amin'ny Journal of Ecological Economics fa "hitarika any amin'ny fianjeran'ny fiarahamonina ny fitrandrahana tafahoatra ny Asa na ny Natiora " raha toa ka tsy misy na inona na inona atao hisorohana izany.
Repoblika Demaokratikan'i Kongo: Ady Miantraika Amin'ny Ezaka Fiarovana Ny Rajako (Gorila)
Tsy ampoizina tanteraka ny toe-javatra ao amin'ny Valam-pirenena Virunga ao Kongo. Mihitatra ao amin'ny toerana onenan'ny Rajako arovana ao amin'ny tendrombohitr'i Virunga, toerana fehezin'ireo mpikomy ankehitriny ny ady ao Kongo.
Miatrika Fitsaràna Any Parisy i Teodorín N. O. Mangue, Zanakalahin'ny Filohan'i Ginea Ekoatorialy
Na teo aza ireo fanakanana maro nataon'ny mpisolovava azy, ...... ny fitsarana an'i M. Teodorín Nguema Obiang Mangue, zanakalahin'ilay mpanao didy jadon'i Ginea Ekoatorialy, sady Filoha Lefitry ny firenena.
Miresaka Momba Ny Tetikasany “Ny Làlan'ny Andevo” i Paul Théa, Gineana Mpanatontosa Sarimihetsika
Izahay no voalohany nanolotra tranom-bakoka momba ny fanandevozana tany Ginea sady manampy ny fampidirana ao ny tantaran'ireo andevo naondrana tany Karolina Atsimo.
Nizeriana Mankalaza Ny Fahalanian'ireo Britanika-Nizeriana Fito Ao Amin'ny Parlemanta Anglisy
Raha ny governemanta federaly Nizeriana miarahaba ireo solombavam-bahoaka vaovao, ireo Nizeriana sasany kosa milaza fa tsy tokony naka ny fandresena tamin'ny fifidianana azon'ireo Britanika-Nizeriana ny governemanta.
Etiopiana Mpiangaly Mozika Voampanga Ho Mpanao ‘Fampihorohoroana’ Noho Ny Tononkirany ‘Mandrisika’
Manoloana ny famoretana ataon'ny fanjakana, nisondrotra toy ny loharanona aingam-panahy hita maso -- sy heno -- ho an'ny hetsika fanoherana, ireo mpanao mozika amin'ny fiteny Afan Oromo.