· Avrily, 2011

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Avrily, 2011

Côte d'Ivoire: Ara-Dalàna Ve Ny Fitsabahan'ny Avy Any Ivelany?

  05 Avrily 2011

Mety ho tonga amin'ny dingana farany ao Abidjan ato ho ato ny ady ho amin'ny fahefana ao Côte d'Ivoire, toerana nanombohan'ny Tafika Repoblikana (FRCI) manohana an'i Alassane Ouattara ny fanafihany an'ireo toerana nofehezin'ny tafik'i Laurent Gbagbo, tamin'ny Alatsinainy 4 Aprily. Nirotsaka an-tsehatra ny Firenena Mikambana sy ny Tafika Mitam-piadiana Frantsay, ary resahana betsaka any anivon'ny aterineto ny maha-ara-dalàna na tsia an'izany.

Côte d'Ivoire: Asa Famonjena Noho ny Maha-Olona Amin'ny Alalan'ny Tenifototra Ao Amin'ny Twitter

  04 Avrily 2011

Anatin'ny korontana ara-politika misy ankehitriny ao Côte d'Ivoire, ny tenifototra #civ2010 ao amin'ny twitter dia nanjary loharanom-baovao nànana ny toerany teo amin'ny firenena. Na izany aza, maro ireo mpampiasa twitter no nampiakatra ny feony ka nitaraina fa ilay tenifototra dia nanjary lasa fitaovana nampiasain'ny mpomba ny andaniny sy ny ankilany handrehetana ady.. Tenifototra iray vaovao, #civsocial, no noforonina mba hifampizaràna zavatra mikasika ny famonjena noho ny maha-olona.

Nizeria: Inona no Nolazain'ny Bilaogera Nizeriana Momba ny Fifidianana 2011?

  04 Avrily 2011

Satria efa antomotra ny Fifidianana taona 2011 ao Nizeria, nafana fo ireo tontolon'ny bilaogy hitabataba. Miresaka foana ireo bilaogera Nizeriana sady mbola mitondra adihevitra lehibe ihany koa momba ny hoavin'ny firenena. Nanomboka ny taona vaovao tamin'ny fitsikerana ny fanapoahana baomba izay mandefa ny Nizeriana ho any amin'ny razany mialoha i...