· Janoary, 2019

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Janoary, 2019

Mandefa Fanafihana Blaogera Ny Governemanta Nizeriàna

GV Mpisolovava

Vao nanomboka "ady iray mitentina 5 tapitrisa dolara" hamelezana ireo blaogera sy ireo media anaty tambajotra,toy ny Sahara Reporters, ny governemanta nizeriàna[...] Amin'ny lafiny iray, vaovao tsara io raha toa tsapan'ny governemanta nizeriana ny tanjak'ireo median'ny olom-pirenena ary arahintsika maso sy iverenantsika isaky ny dingana ataon'izy ireo. Amin'ny lafiny iray indray, tena loza io ho an'ireo blaogera ao amin'ny firenena sy ho an'ireo any ivelany mety haniry ny hody an-tanindrazana, na hanao fialantsasatra fohy izany, na noho ny asa, na hijanona tanteraka any.

17 Janoary 2019

Côte d'Ivoire: Tatitra Tafaporitsaka sy Lazaina fa Mikasika Kolikoly, Navoaka Tety Anaty Aterineto ary Nitarika ho Amin'ny Fisamborana Mpanao Gazety Telo

GV Mpisolovava

Araka ny nambaran'ny bilaogin'ny " Le Nouveau Courrier", telo ireo mpanao gazety avy amin'ny gazety ivoariàna mpiseho isanandro no nosamborina hatramin'ny Talala 13 Jolay noho ny namoahany tatitra iray tafaporitsaka lazaina fa momba ny kolikoly mikasika ny fandraharahàna kakaô sy kafe ao Côte d'Ivoire.Tamin'izay maraina izay, polisy nanao fanamiana sivily namita iraka nampanaovin'i Raymond Tchimou Fehou, lehiben'ny fampanoavana no tonga nisambotra an'ireo mpanao gazety telo - Saint Claver Oula, toniandahatsoratra, Stéphane Guédé mpamoaka lahatsoratra ary ny tale jeneraly Théophile Kouamouo - izay samy nentina hogadraina rehefa nandà tsy hanoro izay loharano nahazoany ny vaovao nandritra ny fitsidihana tampoka natao tao amin'ny biraon'ny Le Nouveau Courrier

16 Janoary 2019

Ny fanarahamaso niomerika ao Angôla sy ireo firenena hafa afrikàna “tsy dia manao ahoana loatra”

GV Mpisolovava

Toa lasa nitafy fahalinana goavana ho an'ireo mpikaroka ny fahitàna any amin'ireo firenena lehibe ao Afrika ireny rindrambaiko ratsy fanahy sy teknolojia hafa "mora vidy" natao ho fanarahamaso ireny. Saingy ahoana ny amin'ireo firenena izay, raha jerena amin'ny fihevitr'ireo tandrefana, dia heverina ho "tsy dia manao ahoana loatra"?

15 Janoary 2019

Afrika: Manolo ny Zava-drehetra ny Fanantenana

Tia mizara ny traikefany sy maneho ny heviny ny vehivavy, saingy tsy hisy mihitsy famantaranandro hiandry azy ireo hipetraka sy hifampizara ny antsipiriam-piainany - na ataony anatin'ny bilaoginy aza izany. Tsy maintsy mitohy ny fiainana.

13 Janoary 2019

Maoritania: Fisamborana ny mpiandraikitra ny Taqadoumy.com

GV Mpisolovava

Nosamborina tamin'ny 18 Jona 2009 i Hanevy Ould Dahah, 32 taona, mpanorina sady talen'ilay tranonkalam-baovao sangany ao Maoritania www.taqadoumy.com , tao Nouakchott. Mpitandro filaminana tsy nampiseho taratasy milaza ny vesatra anenjehana azy no namatotra sy nitondra azy ho any amin'ny paositry ny polisy tao an-drenivohitra Maoritaniàna.

11 Janoary 2019