Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Novambra, 2018

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Novambra, 2018

Sodàna: fampielezankevitra momba ny fanalàna fampiasàmbola

Natao ny fampielezan-kevitra momba ny fanalana fampiasambola niasa tao Sodàna mba hanerena ireo Amerikana mpampiasa vola hanala ny volany any amin'ireo orinasa miasa ao Sodàna.

Hetsika manohitra ny Fahantrana ao Ghana: ”Mijoro i Afrika”

Maherin'ny 300.000 ny olona nivangongo tao amin'ny Kianjan'ny Fahaleovantena tao Accra Ghana ny Sabotsy 3 Septambra 2005 mba hanatrika ilay hazakazaka an-kira naharitra 15 ora, Kaoseritra "Mijoro Manohitra Ny Fahantrana i Afrika", nanasongadinàna ireo mpanakanto Afrikana sangany, olontsotra malaza ao amin'ny fiarahamonina ary mpanentana manohitra ny fahantrana

Zimbaboe: Fiakaran'ny saram-pianarana any amin'ny Anjerimanontolo

Mitatitra  mikasika ny fiakaran'ny saram-pianarana amin'ny anjerimanontolo ao amin'ny fireneny i This is Zimbabwe. 

Afrika: Manao laza masaka mikasika ny SIDA

Maneho hevitra manoloana ny fanolorana ny SIDA ao Afrika sy ny fironana amin'ny fandisoana ireo tena isa i My Hearts in Accra, lahatsoratra nosoratan'i Ethan.

Jery Todika Mikasika ny Hip Hop

Voalazan'ny rohy ny momba ireo seho sy rakikira heverina ho nahomby ka nahazo loka, fa indrindra ny fanenjehan'ireo politisiana frantsay ny mpiangaly mozika hip-hop

R.D. Kôngô: Fanehoankevitry Ny Mpanohitra Manoloana Ny Fifidianana Fihodinana Faharoa Teren-ko Masaka

Namoaka fanambaràna an-gazety iray ho fanehoankevitra manoloana ny tombatombana mialoha hoe mety efa nandresy tamin'ny fifidianana tamin'ny volana Oktobra tao R.D.Kongo i Joseph Kabila (antsoina koa hoe Hyppolite Kanambe) ny UDPS Liege, ilay blaogin'ny antoko mpanohitra UDPS miorina ao Belzika.

Hita tanaty Fandikàna teny

Iray amin'ireo fanamby lehibe indrindra amin'ny fampandehanana ny adihevitra eratany ety anaty aterineto ny fandikana teny. Tsy zavatra moramora ny manolotra hevitra sy fandinihana amin'ny teny sy kolontsaina iray ho any an-kafa ary matetika mandany fotoana bebe kokoa noho ny fanoratana ilay lahatsoratra tany am-boalohany. Na izany aza, mirotsaka hanolotra...

Tandindonin-doza ny tokatandroka mainty ao Zimbaboe noho ny fanafoanan'i Shina ny fandraràna nihatra 25 taona

Tsy mbola manana ny loharanom-bola ilaina mba hanamafisana ny fiarovana sy hampiroboroboana ny fahaiza-manao amin'ny fanaraha-maso sy ny fitsongona dia ireo mpihaza tsy ara-dalana any amin'ny valan-javaboary nasionaly any Zimbaboe ireo mpandala ny tontolo iainana.Vao mainka hanasarotra ny toe-draharaha ny fanafoanan'i Shina amin'ny ampahany ny fandrarana ao anatin'ny 25 taona.

Tontolon'ny Bilaogy Kiswahili

Tontolon'ny bilaogy Kiswahili tamin'ny Jona 2005.

Tontolon'ny bilaogy Alarobia ao Azia

Ny bilaogy amin'ny teny Farsi Shared Pains (nahazo ny Loka RSF Freedom Blog 2005) manana lahatsoratra amin'ny teny Anglisy momba ny fahalalaham-pitenenana ao Afghanistan (poa-tsatroka ho an'ny Afghan Lord).