· Septambra, 2018

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Septambra, 2018

Ireo Krizin'i Darfur: Miteny Ireo Blaogera

Nipoitra tao anatin'ireo gazety tamin'ny taona lasa ny faritra andrefan'i Sodana ao Darfur rehefa nafindra toerana ireo sivily an-tapitrisany, vokatr'ireo ady nifanaovan'ny andiana mpikomy sy ireo milisy Janjaweed mpomba ny governemanta Sodaney

23 Septambra 2018

Angon'ny Tontolombolongana Keniana

Mihevitra aho ny hanao fanasongadinana isan-kerinandro na isan-tapa-bolana mikasika izay mitranga ao anatin'ireo blaogy Keniàna nandritra ny fotoana fohy, indrindra indrindra hatramin'ny nitomboan'ireo blaogy Keniana tsy niato, nandritra ireo volana maromaro farany. Noho ireo fandrisihana vitsivitsy nataon'i Ethan, inty ny andrana voalohany ataoko.

23 Septambra 2018

Bilaogera Miteny Anglisy, Na Miteny Tenimpirenena Roa, Na Miresaka Politika Ao Anatin'ny Tontolombolongana Tanzaniana

Noho ireo antony tena lazaina ho noho ny fotokevitra ara-politika Ujamaa taorian'ny nahazoan'i Tanzania ny fahaleovantena, izay nanisy tsindrim-peo mafy mikasika ny maripamantarana ny firenena amin'ny fampiasana be loatra ny Kiswahili, ilay fiteny tena fampiasa be ao anatin'ny Tontolombolongana Tanzaniana. Misy ireo blaogera tanzaniana vaovao vao mipoitra, mampiasa ny teny Anglisy na ny Anglisy sy ny Kiswahili miaraka.

22 Septambra 2018

Ny Sehatra Fanaovana Blaogy Nizeriana

Raha toa izao tontolo izao mifanaraka tsara amin'ireo blaogy, ireo blaogy Nizeriana kosa niova endrika mihitsy saingy ampilaminana. Tamin'ny fotoana nandrafetana an'ity lahatsoratra ity, tsy dia maro ny nizeriana (avy ao an-toerana) nonanoratra bilaogy, indrindra fa rehefa jerena ny mikasika ny isan'ireo olona mampiasa Aterineto tao amin'ny firenena.

22 Septambra 2018

Fanapariahana Avy Ao Ogandà

Mitohy ao Juba, Sodana, ireo fifampiresahana hikatsahana ny fandriampahalemana, eo amin'ny governemanta Ogandey sy ny Lord's Resistance Army (LRA). Manome tsiny ny governemanta Ogandey sy ny governemanta ao Sodana Atsimo (GOSS) i Ngomrom noho ny tsy fisian'ny fahamatorana ao anatin'ireo fifampiresahana amin'ny LRA.

19 Septambra 2018

Zimbaboe : Ny Zimbaboeana sy ny fahafatesan'i Ben Laden

Rehefa nandre ny fahafatesan’i Ben Laden, ‘’ilay lehilahy tena nokarohina indrindra eran’izao tontolo izao’’ dia naneho hevitra mifangaro ny Zimbaboeana. Angamba noho ny zava-misy fa i Etazonia no namono an’i Ben Laden, izay heverin’ny sasany fa tompon’andraikitra tamin’ny fahasarotana ara-toekarena ao amin’ny fireneny, sy ny sazy ary ihany koa ny ‘’imperialisma’’ fanaony.

15 Septambra 2018