· Jolay, 2018

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Jolay, 2018

Sao Tome-Sy-Principe : Fitroarana Tao Amin'ny Hopitaly

  26 Jolay 2018

Nandritry ny volana maromaro lasa izay, lohahevitra mafana iray no naresaka tao amin'ny tontolon'ny blaogy tao Sao Tome sy Principe mikasika ny olana eo amin'ny fahasalamam-bahoaka -izay voalaza fa efa nahitam-bahaolana. Hatramin'ny herinandro lasa teo, tsy nisy rano ny fantson-drano tao amin'ny hopitalin'i Ayres de Menezes

Afrika Atsimo: Horakoraka taorian'ny fandavana ny visa ho an'ny dalaï-lama

  24 Jolay 2018

''Nandà tsy hanome visa ny dalaï-lama mba hanatrehany fivoriana ho an'ny fandriampahalemana tokony hiseho tao Afrika Atsimo ny fanjakana afrikana tatsimo. Niteraka horakoraka manerana ny aterineto ilay fanapahankevitry ny fanjakana, tao amin'ny Twitter ka hatrany amin'ny Facebook sy ireo blaogy (amin'ny teny anglisy avokoa ireo rohy rehetra).''

Liberia: Ny fiandohana sarotra ho an'ny tontolon'ny blaogy

Rising Voices  24 Jolay 2018

Sarotra ny maminavina toerana iray izay tena sarotra kokoa ny fitazonana blaogy noho ny any amin'ny firenena izay tsy misy fizarana herinaratra ho an'ny daholobe fotsiny tsotra izao. Fa ireo liberiana mitsiriritra ny ho mpanao gazety mazoto kosa dia miasa mafy mba hanjohy an'ireo mpanao gazety sy blaogera mpiara-miasa aminy any amin'ny sisintanin'ny haino aman-jery afrikanina vaovao''

Italia, Tonizia: Tenina Mpifindra Monina Mikasika ny Lohataona Arabo

  22 Jolay 2018

Inona no hevitr'ireo mpifindra monina mipetraka ao Italia momba ny hetsika vao haingana tao Afrika Avaratra? Inona no hetvit'izy ireo mahakasika ny anjara asan'ny Aterineto? Ny fijoroana vavolombelon'izy ireo dia nangonina tao anatina lahatsary fanadihadiana izay nalefa mandritra ny Fihaonana ''Tonizia, ny vanim-potoanan'ny jasmina'', nandritra ny fetin'ny sarimihetsika Immaginafrica, ny 14 novambra 2011 tao Padoue.