· Jona, 2018

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Jona, 2018

Kibera : Ireo Vehivavin'ny PowerWomen Manohitra Ny Fitsaràna Ivelany Ny SIDA

Rising Voices  15 Jona 2018

Nandritra ny fitsidihan'izy ireo tao Kibera, Nairobia, no nihaonan'ny vondrona kely iray nisy ireo mpikambana avy amin'ny Global Voices, tamina vondrom-behivavy mitondra ny tsimokaretina izay ny asan'izy ireo andavanandro dia nataony mba handresena lahatra hanoherana ny fitsaràna ivelany ny VIH/SIDA sy mba hanentanana mikasika ny fahasalamana ara-pananahana eny amin'ireo mponina tena mahantra. Fitantarana nataon'i Ahmed Awadalla sy Rayna St.

Fanakonam-bolana nanome aingam-panahy ireo bilaogeran-dahatsary

  11 Jona 2018

Nampiseho ny takonam-bolana feno ny lahatsary avy amin'ny firenena samihafa, raha toa ka sendra tsy nahita izany ianao na raha mbola mahatsiarotsiaro indray ilay fotoana. Niseho ny 20 Febroary  ilay hany takonam-bolana hitantsika ny taona 2008, sady ilay farany mandra-pahatonga ny 21 Desambra 2010 .

Madagasikara: mbola mijoro ny bilaogera na dia teo aza ny andiana toe-javatra mampalahelo….

  07 Jona 2018

Ity no lahatsoratro voalohany tao amin'ny Global Voices . Tsara vintana aho ary tena faly fa afaka mizara aminareo ny fomba fijerin'ny tontolon'ny bilaogy malagasy. Indrisy anefa fa nampalahelo ny vaovao avy taty  Madagasikara. Ny fiantraikany ratsy tamin'ny andiana rivodoza farany teto Madagasikara no lohahevitra lehibe momba ny adihevitra tamin'ny tranonkalan'ny Malagasy  :

Ny Andavanandron'i Afrika: Ny Fiainana Andavanandro An-tsary, Manerana An'i Afrika

Everyday Africa, Ny Andavanandron'i Afrika, dia blaogy iombonana iray izay mampiasa ny sary mba hiadiana amin'ireo fitsaratsaram-poana atao an'i Afrika. Ireo sary dia nalaina voalohany taminà finday, izay mampiseho ny fahatongavan'ny teknolojia ao Afrika. Ireo fadaharanasa fanofanana ireo tanora etsy andaniny efa nokarakaraina, mba hampianatra azy ireo hamahavaha ny fampisehoana an'ireo olona sy ireo toerana amin'ny alàlan'ireo media.