· Septambra, 2017

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Septambra, 2017

Manapariaka Ny Bilaogy Aty Afrika Amin'ny Alàlan'ny Onjampeo

Mety miahiahy angamba ny mpihaino sasany  - "be pitsony loatra ny famahanana bilaogy ... aiza ny fahafahana hifandraisana, mbola lafo vidy ny aterineto, " izany no fanehoan-kevitry ny mpihaino iray - kanefa mampiseho ny fandaharan'ny Onjampeo BBC World Tambajotra Afrika fa zava-misy ary anisan'ny miroborobo ny famahanana bilaogy eto Afrika .

16 Septambra 2017

Afrika: Ireo “Lalomena” Ao Anatin'ny Sehatry ny Maha-Olona

...ny andian-taranaka leoparda dia ireo tanora....mpanavotra an'i Afrika, izay tsy hiandry ny fanjakàna sy ireo ONG hanao zavatra ho azy ireo. Ny andian-taranaky ny lalomena dia ireo mpitarika politika ankehitriny sy ireo mpandraharaha izay tena faly ny mifetafeta ao anatin'ny honahonan'izy mianakavy, ary mitaraina momba ny fanjanahana sy ny fahantràna saingy tsy manao na inona na inona"

13 Septambra 2017

Ry Tontolo, Ndeha Hihaona amin'i Afrika! Fomba Iray Vaovao Hitantarana Ny Tanibe

Mahakivy matetika ny mamaky ireo fitantaràna an'i Afrika any anaty media mahazatra. Amin'ny lafiny roa, raha ny marina. Voalohany indrindra, izay faritana ho mendritra hanaovana tatitra, dia tena mahakivy. Faharoa manaraka izany, satria tsy dia mirona loatra amin'ny tena zava-misy sarotra sy manetsiketsika ao amin'ilay tanibe, amin'ny fidadasiky ny fahasamihafana rehetra misy ao aminy, fa aleony miresaka an'ireo fitsaratsaram-poana tsotsotra fotsiny.

06 Septambra 2017