· Jolay, 2017

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Jolay, 2017

Tontolo Iainana : Bilaogy Miresaka ny Tontolo Iainana, Angon-Dahatsoratra Manerantany

  21 Jolay 2017

Miresaka ireo olana marobe mahakasika manokana ny faritra misy azy, nefa mampitebiteby ny erantany ireo bilaogy miresaka ny tontolo iainana manerantany. Saintsainin'ny bilaogy Gorilla Protection (fiarovana ny Rajako) any RDC ny dikan'ilay fifanarahana fandriampahalemana. Avy amin'ny China Dialogue, ny fijerena ny tohin'ilay fihaonana momba ny ady amin'ny fiovaovàn'ny toetrandro tany Bali, ary avy any Afrika Atsimo ireo fanehoankevitra momba ny fahatapahan'ny herinaratra vao haingana sy ny fifaninanana fiara tsy manimba tontolo iainana.

Manohitra An'i Robertson Izao Tontolo Izao

Tao anatin'ny lahateny erantany mikasika ireo fanamarihan'i Pat Robertson , Amerikana evanjelisitra mpitory filazantsara amin'ny fahitalavitra, miantso famonoana ny Filoha Venezoeliàna Hugo Chavez (izay nialàny tsiny taty aoriana), maro ny fandinihana mikasika ireo fanaovana mahery fihetsika ara-pinoana - sy ny fandeferana be loatra omena azy io any amin'ireo firenena maro isankarazany.