Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Oktobra, 2016

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Oktobra, 2016

“Ireo Gaulois Razantsika” Naverin'ireo Mpahay Tantara Sy Ny Karaiba

"Fony ianao 6 taona, rehefa mamaky boky hoe ny razanao dia Gaulois, ary manana volo mavo sy maso manga izy ireo ... Dia nihomehy fatratra izahay sy ny mpampianatra." Aimé Césaire

Ethiopia Latsaka An-Katerena : ‘Pikantsary Farany Ho An'ny Fitondrana Tsy Refesimandidy Mahery Setra'?

Fantatsika rehetra ny dikan'ny hoe #Hamehana, Tandindonin-doza mitatao ireo ahiahiana mahazatra (ny namana sy mpikatroka fantatsika).

‘Rehefa Mangidihidy ny Fela-tànanao, Handray Vola Izany Ianao’, ary Ireo Angano Afrikàna Hafa

Ao amin'ny Twitter, mizara ireo angano fampiasa matetika henony eo ambany tenifototra #100AfricanMyths, ireo Afrikana.

Nakaton'ny Manampahefana Etiopiana Ny Tolotra Aterineto Finday sy ny Tranonkala Media Sosialy Lehibe

Manahy ireo manaraka akaiky ny toe-draharaha fa mety fanombohan'ny dingana vaovao mampidi-doza izao (fanakatonana ny tolotra aterineto finday) izao taorian'ny herintaonan'ny fihetsiketsehana.

Lehilahy Mpandraharahana Manina Ny Tsiron-tsakafo ao Etiopia—Ka Nanomboka Namboly Izany Tany Aminy

"Nisy ny fahafahana samihafa nomen'ireo toerana roa ireo. Mino aho fa tokony ho maro koa ireo olona manana firenena roa samy hafa. Mihoatra ny iray izany e!”

Fahaiza-mitantana Eto  Afrika: Cap Vert No Tsara Indrindra, Angola No Ratsy Indrindra

Navoaka tao Londra tamin'ny 3 Aogositra ny "Tondro Mo Ibrahim", izay nampiseho vokatra tena nifanipaka amin'ireo ireo firenena miteny Paortiogey amin'ny fomba Ofisialy (PALOP) amin'ny resaka "fahaiza-mitantana". I Cap-Vert no mbola mitana ny laharana voalohany raha midina hatrany kosa ny laharan'i Angola.

Nandefa Hafatra Mampihorokoditra Ho An'ny Vahoaka Oromo Tamin'ny Alalan'ny Famoretana Nahafatesan'Olona Nandritra Ny Andro Fety Ny Manampahefana Ethiopiana

Izany no fanafihana voalohany nataon'ny mpitandro ny filaminana ny fomba nentim-paharazana lehibe ara-kolontsaina sy ara-pivavahana an'ny vahoaka Oromo ary indrindra anisan'ny heri-pamoretana mahery vaika indrindra tsy mbola fahita hatramin'izay natao iadiana amin'ny mari-panondroana Oromo

Voafidy Ho Filohan'ny Cap Vert Indray I Jorge Carlos Fonseca

Nandresy ny fifidianana ho filoham-pirenena ao Cap Vert i Jorge Carlos Fonseca tamin'ny taha 74% izay manavao indray mandritra ny dimy taona ny fe-potoana hitondrany.

Mihamampididoza Ny Fanehoan-kevitra Ara-Politika  Ao Amin'ny Media Sosialy Ao Tanzania

Niseho teo anatrehan'ny fitsarana Tanzaniana tamin'ny 14 Septambra lasa teo ny olom-pirenena Tanzaniana miisa dimy, voampanga ho nanivaiva ny Filoha John Magufuli tao amin'ny media sosialy. Nandà ny fiampangana azy ireo olona dimy ireo.

Tian'ny Parlemantan'ny Tanora Ovaina ny Anaran'ny Seranam-Piaramanidina Iraisampirenena ao Maputo

Ny Parlemantan'ny Tanora, fikambanana mametraka ny tahoran'i Mozambika ho laharam-pahamehana, no tompon-kevitra te-hanome anarana Samora Machel, filoha voalohany ao amin'ny firenena, ny Seranam-Piaramanidina Iraisampirenen'i Maputo. Mitady sonia roa arivo ny fanangonan-tsonia ho amin'izany.