· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Desambra, 2012

Madagasikara: fanaovana ampihy mamba velarantany nohon'ny BioFuel

  11 Desambra 2012

Ny fikambanana “collectif TANY” izay mitolona hoan'ny fiarovana ny zon'ireo tantsaha Malagasy ahafahany manohy hamokatra ny taniny, sady soloin'Atoa Mamy Rakotondrainibe tena, no nandikateny frantsay sy nanapariaka ny lahantsoratra navoaky ny gazety Inona ny Vaovao laharana 1031 [fr] izay mitatitra ny fitarainan'ireo tantsaha nohon'ny vokadratsy ateraky ny fambolena ny voly jatropha karakarain'ny orinasa Tozzi Green group...

Fifidianana 2012 Ghana, Avy Eny Amin'ny Vatam-Pifidianana

  08 Desambra 2012

Namonjy ny biraom-pifidianana ny Ghaneana ny andron'ny 7 Desambra 2012, hifidy filoha sy parlemanta vaovao. Ireo tena mpifaninana lehibe hofidiana ho filoha moa dia ny filoha ankehitriny John Dramani Mahama misolo ten ny antoko mitondra ny National Democratic Congress (NDC = Kongresy Demokratika Nasionaly) sy Nana Akufo-Addo avy amin'ny mpanohitra avy...

Ora Sisa No Isaina Alohan'ny Fifidianana Filoham-pirenena ao Ghanà

  07 Desambra 2012

Iray andro sisa alohan'ny androm-pifidianana ao Ghanà ary mihamafy hatrany ny fampielezan-kevitra – androany vao maraimbe, narahina sioka sy feon'anjomara, hiakam-pifaliana sy tehaka ny fampielezan-kevitra sasany. Miakanjo t-shirt am-pireharehana an'ny antoko tohanany ny olona sasany manerana ny tanàn-dehibe, ny sasany manao izany amin'ny mangingina. Ny fahitalavitra kosa mandefa fandaharana misy...

Mirongatra ny andiam-balala ary manambana Kere ny faritra Atsimon'i Madagasikara

  06 Desambra 2012

Namoaka fambaraloza ny governemanta Malagasy [fr]: Le Gouvernement malgache a la déclaré l'etat d'ALERTE NATIONALE suite à une invasion de criquets dans le sud qui ravagent les cultures et menace la sécurité alimentaire “Namoaka fambaraloza ny governemanta Malagasy taorian'ny firongatr'ireo valala any amin'ny faritra Atsimon'ny nosy, izay manambana ny fanjariam-pambolena...

Maoritania: Fahatsiarovana Ny Famonoana Ny Miaramila Mainty tao Inal

  06 Desambra 2012

Tokony ho androm-pifaliana ho an'ny Maoritaniana ny andron'ny 28 Novambra satria io no manamarika ny fahaleovantenany nisintaka tamin'i Frantsa. Saingy, mampitamberina tsiaro mampalahelo nandatsahan-drà [en] ihany koa io andro io rehefa mampahatsiahy azy ireo fa tamin'io andro io tamin'ny taona 1990, dia nisy fanadiovana ara-poko natao tao anatin'ny tafika maoritaniana.

Tena Niala An'i Goma, RDC Tokoa Va Re Ny Mpihoko M23?

  06 Desambra 2012

Tohanan'ny governemanta Roande, ny mpihoko M23 no mifehy ny tanànan'i Goma ao amin'ny faritr'i Kivu, akaikin'ny sisintany Roande. Na eo aza ireo tatitra hoe nanaiky ny hisintaka an'i Goma ireo mpihoko, dia toa mbola misy hatrany ny fisalasalàana goavana mikasika ny hoe rahoviana izy ireo no tena hanao izany tokoa.

Ndao Hifidy ny Zava-Mahatalanjona Natoraly Fito Tsara Indrindra Eto Afrika

  03 Desambra 2012

Misy fifaninanana isan-taona nalefa ho an'ny daholobe hifidianana ny zava-mahatalanjona voajanahary fito tsara indrindra eto Afrika, ary efa mandeha izany fisafidianana izany amin'izao fotoana . Misy ireo faritra voajanahary mahavariana tsy voafantina, ka nisy blaoga vitsy nanoso-kevitra tamin'ny alalan'ny bilaoginy. Indreto ny sasany aseho an-tsary:

Mamafa Ny Tantaran'i Ethiopia Amin'ny Anaran'ny Fampandrosoana

  01 Desambra 2012

Tamin'ny 1896 no resin'ny tafika notarihan'ny Amperora Menelik II ny tafika Italiana izay nanana ny teknolojia ara-miaramila nandroso kokoa tao amin'ny fifanandrinana tao Adwa. Taorian'izany, nampiditra teknolojia maromaro ilay Amperora nandresy ka anatin'izany ny fampidirana ny lalamby tao amin'ny fireneny. Noho ny fandreseny tao Adwa sy ny ezaka nataony hanovàna an'i...