Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Jona, 2012
Etiopia: Tsingerintaonan'ny EPRDF: Misy Inona Hankalazaina?
Ho an'ny Etiopiana sasany ny 28 May dia ‘Androm-pirenena’ raha ny sasany indray mihevitra azy io ho andro iray fankalazana ny fanoloana fitondrana mpamoritra iray taminà iray hafa. Nandray ny bilaogy sy Facebook mba hiresahana ny tsingerintaonan'ny EPRDF ireo mpiondana aterineto.
Côte d'Ivoire: Miteraka Romoromo Ny Fanoloana Ny Mpanazatra Zahoui
Nanambara ny Federasiona Ivoarianan'ny Baolina Fandaka, fa manomboka ny alatsinainy 28 mey dia voatondro ho mpanazatra sy mpifantina ny ekipam-pirenena A hisolo an'Atoa François ZAHOUI i Sabri LAMOUCHI. Miresaka momba ity fanoloana tampoka ity ny Ivoariana.