Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Septambra, 2011
Guinea : Ny Adin'i Nadine Bari Ho Fampihenana Ny Fahantrana ao Guinea
Nadine Bari dia Frantsay iray nanangana fikambanana iray ho an'ny mpiara-belona isan'ny tranainy indrindra tao Guinea, Guinée-Solidarité na Firaisankinan'i Guinée. Tamin'ny alalan'ny fanampiana avy any Eropa dia nahavita namatsy fitaovana ireo sekoly, hopitaly, sy nanampy ireo tsy manan-kialofana, kamboty ary koa zaza manan-kilema mba hahazo fanabeazana.
Vehivavy Afrikana Miezaka ho Mpitondra Fanjakana
Nisantatra ny lalana i Ellen Johnson-Sirleaf tamin'ny taona 2006, raha voafidy ho Filohan'i Liberia ary nanjary vehivavy Afrikanina voalohany tafakatra amin'ny toerana ambony indrindra. Nanomboka hatreo, dia maro ireo vehivavy Afrikanina...
Global Voices Podcast 3: Fiantraikan'ny Fikomiana Arabo
Miarahaba ny rehetra! Amin'ity andiany Global Voices Podcast ity no handrenesanareo ny fiantraikan'ny fihetsiketseham-bahoaka Arabo sy ahitanao izany hoe ahoana izany mpitari-dalana nomerika izany ary hiresaka momba ireo hevitra miteraka...
Oganda: Niady Ho Fiarovana Ny Ala Mando Ireo Ogande Any Anaty Aterineto
Ny ala Mabira dia hita ao afovoan'i Oganda akaikin'i Kampala renivohitra. Iray amin'ireo ala voajanahary vitsivitsy izay sisa tavela taorian'ny taona maro nahapotika hektara maromaro. Niady nanao hetsika fanoherana ny governemanta ireo Ogande mba tsy hamarotana ny tany aminà orinasa mpamokatra siramamy.
Angola: Lahatsarin'ny Famoretana Ny Fihetsiketsehan'ny Tanora Tao Luanda
Ny Asabotsy 3 Septambra 2011 dia nisy tanora teo ho eo amin'ny 200 teo no nivory tany Luanda, Angola ho fanoherana ny tsy fahampian'ny fahafahana sy ny fitondran'ny Filoha José Eduardo dos Santos nandritra ny 32 taona. Araka ny nolazain'ny vavolombelona dia niafara tamin'ny fikapohan'ny polisy ny mpanao fihetsiketsehana izany fanoherana izany.
Zimbaboe: Manova ny Fiainan'ny Tanora Amin'ny Alalan'ny Teatra
27 taona i Boyce Chaka, poety sy mpianatra teatra ao Bulawayo, tanàna lehibe faharoa ao Zimbabwe. Nanomboka tamin'ny taona lasa, nanokana ny fotoanany tamin'ny fampianarana ny mpianatra ambaratonga faharoa momba ny sanganasan'i Shakespeare sy...
Nizeria: Misaritaka, Miandry Ny Fahatongavanà Vehivavy Iray?
Ngozi Okonjo-Iweala (NOI), Minisitry ny Fitantanam-bola vaovao sy Minisitra Misahana ny Toe-karena. Vao haingana kely i NOI no tale jeneralin'i Banky Iraisam-pirenena. Raha vao nanomboka nikotaba ny haino aman-jery mikasika an'io fanendrena azy io, dia tsy nitsahatra niresaka momba an'io vehivavy manam-pahefana ambony indrindra tao amin'ny kabinetran'ny filoha Goodluck Jonathan io ny mponin'ny aterineto .
Madagasikara: Asehon'ny telegrama Wikileaks ny tsi-fitoviam-pijery diplomatika taorian'ny fanonganam-panjakana
Sam Ganegie manadihady ny telegrama ampolony vao navoakan'ny wikileaks miresaka momba an'i Madagasikara. Nomarihany tamin'izany ary fa heverin'ny mpanelanelana momba ny krizin'i Madagasikara Atoa Chissano fa ny fanohanana mandeha irerin'i Frantsa...
Repoblikan'i Afrika Afovoany: Herisetra No Manamarika Ny Firosoana Ho Any Amin'ny Fifidianana
Hisy fifidianana parlemantera hatao any amin'ny Repoblikan'i Afrika Afovoany -amin'ny 4 Septambra 2011. niakatrakatra ny tosi-drà tato ho ato taorian'ny famoriam-bahoaka nataon'ny mpanohitra niafara taminà herisetra. Mbola eo an-dalam-pahasitranana avy amin'ny fifandonana mahery vaika izay niandoha tamin'ny faramparan'ny taona 1990. Mitatitra i Lova Rakotomalala.