Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Avrily, 2011
Kenya : Tanora tia mampita-vaovao ao ambani-tanàna ao Kibera
Vonona hampiseho endrika hafa sy miavaka ny tanàna onenany ireo tanora Kibera, ao Kenya, izay malaza ho ambani-tanàna lehibe indrindra ao Afrika. Miaraka amin'ny fankatsary enti-tanana, nitety ny arabe izy ireo mba hitady endrika mampiseho ny tontolo ny fomba fijerin'ny ao an-toerana an'i Kibera . Tamin'ny volana aprily 2010 ny...
Fanalahidy Hamongorana Ny Hanoanana Eran'Izao Tontolo Izao Ve Ny Fandrisihana Ny Vehivavy?
Satria ny vidin-tsakafo eran-tany dia mitohy hatrany mijanona ho avo, ary mbola hita eny am-paratazana ny fisondrotana noho ny sondro-bidin'ny solika sy ny tahirin-tsakafo, milaza ireo manampahaizana manokana fa misy vahaolana izay matetika no tsinontsinoavina azo iadiana amin'ny hanoanana: ny vehivavy.
Oganda: Heloka ve ny fandehanana tongotra mankany am-piasana?
#walk2work dia foto-kevitra mafana ao amin'ny tontolon'ny Twitter any Oganda. Ny Fandehanana an-tongotra mankany am-piasana no fanentanana notontosain'ny mpanohitra tany Oganda hanoherana ny fidangan'ny vidin'ny solika sy ny sakafo.
Cote d'Ivoire : Mbola mitohy ny herisetra na dia efa voasambotra aza i Gbagbo
Taorian'ny fisamborana azy ny 11 aprily 2011 lasa teo, niparitaka tamin'ny aterineto sy ny gazety iraisam-pirenena ny sarin'ny Filohan'i Cote d'Ivoire teo aloha Laurent Gbagbo sy ny vadiny ary ny manodidina azy. Sary iray manokana no niteraka fihetseham-po mahery vaika: ilay mpanao gazety Israël Yoroba, izay miasa ao amin'ny TV5 any Abidjan,...
Côte d'Ivoire: Lavo i Laurent Gbagbo
Anankiray amin'ireo lahatsoratra manokana momba ny Korontana any Côte d'Ivoire 2011 ity. Nivoaka ny vaovao malaza tamin'ny 11 aprily 2011 tamin'ny 01 ora GMT : nosamborina tao amin'ny fonenany ao Cocody i Laurent Gbagbo niaraka tamin'ny vadiny, Simone, sy ireo olona akaiky azy. Dimy volana aty aorian'ny fandavany hiala amin'ny fitondrana ha hanome...
Nizeria: Misiokantsera ny fifidianana ho solombavambahoaka 2011
Miresaka momba ny fifidianana solombavambahoaka tanterahina amin'izao fotoana [9 avrily 2011], raha tokony notanterahina tamin'ny 2 avrily 2001 izany, amin'ny alalan'ny fampiasana tenifototra #NigeriaDecides ny Nizeriana antsera [online].
Gabon : Fihetsiketsehana eo amin'ny sehatry ny solika
Raha samy mitady vahaolana hafa momba ny olana ara-tsolika ny firenena eran-tany, ny firenena Gabon kosa izay saika mifototra tanteraka amin'io harena io dia mbola manana tahiry. Tao anatin'ny volana vitsivitsy anefa, tratran'ny fikomiana ny firenena izay tsy dia nivoaka firy tamin'ny fampahalalam-baovao, ary ny faran'ny volana janoary teo koa no...
Nanangana Fikambanana ( BAKE) ny Bilaogera Kenya.
Tamin'ny Zoma 25 Martsa, Bilaogera Kenyana maromaro no nanao fivoriana tao an-drenivohitr'i Kenya Nairobi, noho ny fananganana fikambanana vaovao BAKE ( Bloggers Association KEnya) (Fikambanana Bilaogera Kenya). Fivoriana fahaefatra notontosain'ny bilaogera maintimolaly Kenyana sasany io fivoriana io. Efa maro ny fitarainana natao, fiampangana ary ohatra koa ny fifamaliana tsotra amin'ny teny miafina...
Côte d'Ivoire: Mikiribiby i Gbagbo, Fanoherana Afrikana
Raha mbola mihidy ao amin'ny bunker misy azy ao amin'ny firenena hatrany ny filoha Ivoariana teo aloha Laurent Gbagbo, mikiry mandà ny fahareseny nandritra ny fifidianana filoham-pirenena 2010, niteraka adihevitra teo amin'ny olom-pirenena sy ny mpanao politika frantsay, mbamin'ny Fiaraha-monina Afrikana any Frantsa ny fandraisana anjara an'i Frantsa hanongana azy. Hatrany Paris...
Cote d'Ivoire : Mandia ny Ora Farany ny Fitondrana Gbagbo ao Abidjan
Nafana aoka izany ny roa andro farany teo amin'ny fivadihan'ny tantara ho an'i Côte d'Ivoire. Ireo tafika mahatoky an'i Alassane Dramane Ouattara, Filoha nahazo fankatoavana iraisam-pirenena ao Côte d'Ivoire, sy Guillaume Soro, praiminisitra, dia nanao fanafihana tao Atsimo sy Andrefan'ny firenena, ary tonga tao an-tanàna Douékoué izy ireo tao anatin'ny...