Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Jolay, 2010
Niger : Misoko mangina ny hanoanana
Miteraka ahiahy be ihany ny tsy fahampian'ny fitateram-baovao momba ny olana ara-tsakafo any Sahel ho an'ny olona 2,5 tapitrisa any Niger izay voakasiky ny fahalanian'ny sakafo hohanina. Milaza hanamafy ny fandaharan'asany hiarovana...
Nizeria: Iza no nampiova hevitra ny Filoha— Facebook sa FIFA?
Taorian'ny nahazoany tsikera an-jatony tao amin'ny pejy Facebook-ny ny Filohan'i Nizeria dia nanafoana ny fampiatoana ny ekipa nasionalin'ny baolina kitra. Kanefa tena ho valin'ny feon'ireo olona mitaraina ao amin'ny Facebook ve no nampiova ny hevitry ny filoha? Sa noho ny tsindry avy amin'ny mpanolotsaina eran-tanin'ny baoilna kitra?
Ankapobe: Mitady lalao hafa ilay orita alemana Paul
Eto ilay orita Paul dia naminany ny fandresen'i Alemaina tamin'ny lalao teo aloha nanoloana an'i Arzantina. Tao anatin'ny herinandro vitsivitsy izay, ka ao anatin'izao mondial mampirediredy izao, dia misy orita...
R. D. Congo: Fahaleovantena “Cha Cha”
Nankalaza ny faha – 50 taonan’ny fahaleovantenany niala tamin’ny zioga Belza ny Repoblika Demokratikan’i Congo. Raha mbola faly mampidera ny halafon’ny fitaovana ara-miaramila vaovao izay ampiasaina amin’ny fisehosehoana amin’ireo manamboninahitra ny fanjakana , dia mitantara ireo filatroana tany Kinshasa sy Lubumbashi kosa ny mpitoraka blaogy Kakaluigi[fr] sy Congo Miliki [fr], eo andanin’izany, mampahatsiahy ny vanim-potoan’ny fahaleovantena sy ny zava-bita tsara indrindra tamin’ireo androm-panantenana ny mpitoraka blaogy Kongole sasany.
Afrika Atsimo: Ny tontolon'ny media sosialin'ny vuvuzelas
Tsy afa-mahazo vuvuzelas bebe kokoa ve? Na koa ny mifanohitra amin'izay. Eto dia misy rohina media sosialy voatokana ho an'ny resaka vuvuzela.
Maneran-tany: Tsy matoan-dahatsoratry ny fampahalalam-baovao ny fiparitahan'ny solitany
Misarika ny fifantohan-tsain'izao tontolo izao ilay fiparitahan'ny solitany tany amin'ny Elodranon'i Meksika, vokatr'izay fanapotehana noho ny tsy fahaiza-mitantana ny fitrandrahana solitany. Na izany aza, any amin'ireo toerana sasany maneran-tany, miaina miaraka amin'ny fandrarahana poizina toy itony ny olona, ary amin'ny alalan'ny horonantsary no hiezahan'ny vahoaka hisintonana ny sain'izao tontolo izao amin'ny fijalian'izy ireo.