Tantara mikasika ny Nizeria tamin'ny Jolay, 2019
Zo hahazo vaovao: Manoloana ny lalàna vaovao momba izany, hanara-dia an'i Nizeria ve i Ghana?
Manamafy ny UNESCO fa "ampahany feno amin'ny zon'ny fahalalahana maneho hevitra ny fahalalahana hahazo vaovao." Ao amin'ny faritra, voasoratra ao amin'ny Sata Afrikanina momba ny Zon'olombelona sy ny Vahoaka sy ny Fanambarana ny fitsipika momba ny Fahalalahana maneho hevitra ao Afrika ny zo ho an'ny fahalalahana maneho hevitra.